Filoha Ravalomanana tany Toamasina – Ravao ny CENI fa tsy mahaleotena

Isambilo

Nanao hetsika fameloma-maso sy fanabeazamboho, na redynamisation ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tany Toamasina, renivohitry ny faritra Atsinanana ny sabotsy teo ny avy amin’ny birao politika nasionalin’ity antoko ity, notarihan’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana, sy ny sekretera jeneraly nasionaly Rina Randriamasinoro.

Fahombiazana ny hetsika natao satria feno hipoka ny Magro Tanambao V nandritra izany, na ny tao anatiny, na ny tany ivelan’ny efitrano nanaovana ny fihaonana. Tonga tany an-toerana avokoa ireo mpitarika ny antoko avy amin’ireo distrika, sy kaominina any Toamasina. Voaporofo tamin’io fotoana io, fa velona sy miaina tsara ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity, ary izy no anisan’ny antoko tokana anisan’ny lehibe eto amin’ny firenena, raha antoko mandeha samirery no resahana.

Voaresaka tamin’izany ihany koa ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, nambaran’ny filoha Ravalomanana, izay filoha nasionalin’ny antoko, sady filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), fa tsy mahaleotena ny rafitra mpikarakara fifidianana eto amintsika, ny CENI, na teo aloha, indrindra ny amin’izao fotoana, ka tokony ho ravana dia tokony hidinika ny ankolafy politika rehetra eto amin’ny firenena, na ny mpanohitra, na ny mpitondra, na ny hery hafa eto amin’ny firenena, hidinika indray ny hamolavolana ny CENI vaovao, mba tena hahaleotena sy ho eken’ny rehetra ny zavatra hataony.

Tsy ho azo antoka ny vokatra havoakan’ny CENI hisy hoy izy, satria saika olon’ny fitondrana avokoa no ho ao anatiny, noho izany vao mainka tsy ho marina ny fifidianana ho avy, ary mbola hanoatra noho ny “doublon” teo aloha aza izany tsy fahamarinana, sy tsy fangaraharana amin’ny fifidianana izany.