Miezaka maka tahaka Rajoelina – Ny filoha Ravalomanana ihany no « vrai Marc » sy tena « original »

Ny Valosoa

“Aza matahotra minoa fotsiny ihany”, araka ny voalaza ao amin’ny Marka toko faha-5 andininy faha-36, no andinin-tsoratra masina nofidian’ny Filoha Marc Ravalomanana, ho filamatra sy nanehoana tamin’ny vahoaka malagasy, fa rehefa miasa amin-kitsimpo sy amim-pahamarinana ary indrindra miaraka amin’ilay Telo izay iray dia ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia mahita fahombiazana hatrany, satria izay ilay atao hoe “finoana arahin’asa” sy “miasa amim-pinoana”.

Ingahy Rajoelina filoha ankehitriny dia efa hatramin’ny ela no efa tsikaritra, fa mangala-tahaka ny Filoha Ravalomanana, nanomboka tamin’ny firotsahana ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra avy eo dia nitady lalana ho lasa filohampirenena. Ny tanjon’ny Filoha Ravalomanana no enjehin-dRajoelina ho tratrarina, saingy ny lalana nizorana namonjy an’ilay tanjona no mifanohitra toy ny atsimo sy avaratra, satria ny an’i Dada nandeha nanaraka ny lalan’ny fahamarinana, fa ny an’i Boaikely kosa nizotra tamin’ny fanaovana herisetra sy hoso-pifidianana.

Dia mba naka andinin-tsoratra masina tao amin’ny baiboly koa ilaikely, saingy mampiomehy araka ny fitenin-jatovo satria toa fihetsika ivelany no betsaka fa tsy hita izay fanarahana ny voalazan’ilay andinin-tsoratra masina; “fa ny fitiavana” hono “no lehibe indrindra”, kanefa ny fihetsik’Ingahy Filoha ankehitriny, dia feno fankahalana sy valifaty, ary ilay fitiavana tanisaina tsy ilay fitiavana avy amin’Andrimanitra ,fa sadasada ihany, raha misy dia fitiavana toy ny fahita any amin’ny “boite de nuit”, Ingahy filoha ankehitriny rahateo iaraha-mahalala fa “Dj”.

Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay dia tsy tahotra tsy henatra, fa naka tahaka tanteraka ny nataon’ny Filoha Ravalomanana Ingahy Dj, satria nanafatra ombivavy beronono sady nentina fiaramanidina mihitsy ireo ombivavy, mazava izany fa tsapan’Ingahy Dj ihany, fa tsara sy nahomby ny nataon’ny Filoha Ravalomanana niezaka mafy nampihinana ronono sy sakafo vokatry ny rononon’ny vahoaka malagasy ary tsy izay ihany fa nametraka ny vato fehizoron’ny antsoina hoe “Auditorium” teo amin’ny toerana nisy ny Radiompirenena izay nodorany sy ny mpomba azy tamin’ny 26 Janoary 2009 Ingahy Dj. Ny olompirenena rehetra dia samy mahatadidy fa nodoran’ny olon’Ingahy Dj koa ny”Auditorium” izay natsangan’ny Filoha Ravalomanana teny Ankorondrano. Voaporofo eto fa mety ireo noravana matoa naverina.

Tany ambony dabillio dia misy foana ny mpianatra mahay sady mahomby, fa misy koa ireo tsy mahavoa mihitsy fa manantena ny hangala-tahaka hatrany, matetika dia hain’ny mpampianatra foana ny mamantatra ny hoe: iza no tena nampiasa ati-doha tamin’ny famaliana ny laza adina ary iza no tsy nisahiran-tsaina fa nandika ilay nataon’ilay tena niketrika, tsy sarotra mihitsy ho an’ny mpampianatra ny manavaka ny “original” sy ny “copie” na “plagiat”. Indraindray kosa aloha dia afa-panadinana ihany ny mpaka tahaka, saingy sahirana rehefa misondrotra kilasy, satria tsy maharaka, hany ka tsy maintsy mitady hatrany ny fomba feno hosoka efa nahazatra ny nisondrotana hatramin’izay.

Ny fanontaniana ilam-baliny izao dia ny hoe: azo eritreretina ve fa rehefa tsy lany filoha Ingahy Rajoelina amin’ny fifidianana manaraka, dia mety hirotsaka ho fidiana Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra koa Ramatoa Mialy Rajoelina, sarotra inoana ny hananany fahasahiana amin’izany, satria efa tena mailo tanteraka ny vahoaka eto an-drenivohitra amin’ny resaka hoso-pifidianana.

Ny andrandraina amin’Ingahy Filoha ankehitriny, rehefa mivoaka ny voka-pifidianana tsy misy hosoka dia ny haka tahaka ny fihetsika feno fahendrena nataon’ny Filoha Ravalomanana, izay nandefitra nanaiky ny voka-pifidianana na dia fantany aza fa izy no tokony ho nandresy. Fa ny azo antoka aloha dia tsy maintsy manao izay faraheriny ny fitondrana amin’ny fampiasana ireo fomba ratsy rehetra toy ny hatramin’izay, io efa iaraha-mahita io izao ny fididianana ireo mpikambana ao amin’ny “Ceni”, tsy ny ao ihany fa any amin’ireo ambaratonga sy rantsamangaika rehetra mikirakira fifidianana, hiady fatratra hikaroka ny fomba rehetra hametrahana olona any amin’ireo ny mpitondra ankehitriny.

Raha nitohy ny hazo efa tonga tany an-danitra ny voalavo, ny zava-drehetra dia manampetra, tsy maintsy ho tapi-dalan-kaleha amin’izay ireo zatra ny lalan-dririnina izay tsy maintsy handrovitsihy ary mety ho tonga hatrany amin’ny fisandohana ny anaran’ny Filoha Ravalomanana, hamitaka ny vahoaka mpifidy, kanefa ny vahoaka malagasy efa tonga saina, tsy ho azo fitahina intsony, satria efa mahafatantra tsara ny “VRAI MARC” sy tena “ORIGINAL”.