Pr Jonah Ratsimbazafy – Tsy avelantsika hanjavona Menabe Antimena sy Ankarafantsika

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, izay mpampianatra mpikaroka miaro ny tontolo iainana, sady filoha eran-tanin’ ny IPS: International Primatological Society, ny gazety Ny Valosoa Vaovao mahakasika ny fahasimban’ny tontolo iainana eto amintsika amin’izao fotoana.

Dinidinika:
-Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): may Menabe Antimena, may Ankarafantsika, ny fahitanao an’izay Profesora?
-Profesora Jonah Ratsimbazafy (PJR): tsy ho avelantsika hanjavona i Menabe Antimena, Ankarafantsika sy ireo ala potiky ny afo sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Te hiteny amin’ny Malagasy rehetra ao eto hoe: misy ny olana ary tena sarotra ny zavatra atrehina, fa andao havotantsika aloha ireo harena vakoka voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara ireo.

-GNVV: amin’ny mpampianatra mpikaroka anao, sy ny maha-filoha eran’izao tontolo izao anao ao amin’ny IPS, inona no ho fandraisan’andraikitra hataonao sy ny fikambanana tarihanao?
-PJR: manana adidy sy andraikitra lehibe ny tenako amin’ny maha- mpiaro varika ahy sy amin’ny maha filohan’ny International Primatological Society ahy, ny fifamindram-pitantanana eo amiko sy ny Filoha ankehitriny dia Ramatoa Karen Strier, sy ireo hiara-miasa amiko mantsy dia mbola hatao any Quito Equator amin’ny Janoary 2022. Ka ohatry ny tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretako izany hoe “Izaho hono no hanambara amin’izao tontolo izao, fa ny varika kely indrindra eto ambonin’ny tany dia ny Microcebus berthae dia nanjavona tanteraka taamin’ny fotoana naha-filohan’ny IPS ny tenako. Izay no antony nanambarana, fa aoka tsy ho fankalazana fombafomba fotsiny ilay Journée Nationale des Lémuriens kanefa ny fomba amam-panao tsy mety dia mbola tohizana ihany. Ohatra: fanapotehana ny ala fonenany, fandorana, fihazana sy fiompiana, sns…

-GNVV: dia inona kosa no fandraisan’andraikitra tokony horaisin’ny mpitondra?
-PJR : eto izany dia tena miangavy ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena hiresaka sy hampiseho fihetsika maharesy lahatra, na hisy fanampiana, na tsy hisy avy amin’ireo havana avy any dilambato izay tena miara-malahelo amintsika. Amin’ny maha- mpitondra fanjakana ny mpitondra dia miresaka aminareo ireo masoivoho ireny, fa miresaka aminay koa tsy manafina ny ahiahiny, satria tsy toy izao miseho any Menabe sy Ankarafantsika izao no nandrasany tamin’izay vola be efa nomena an’i Madagasikara.

-GNVV : raha sanatria ka hanjavona ny ala misy ireo biby arovana eto amintsika, dia inona no hitranga Profesora ?
-PJR: raha sanatria ka hanjavona moa ireo ala sy biby harenantsika ireo dia inona no ambara fa dia sanatria ve alahelo no hifandaozantsika eto? Angamba tsy ho izany kosa e. Ka aoka isika samy hiezaka, hiaro ireo ala mbola misy eto amintsika ireo, fa tsy handoro azy ireny!