MATAHOTRA MPANAO GAZETY ?

Mpitondra matahotra mpanao gazety,
Kanefa miseho dia miseho ho vedety?
Ny vola no afafy fa tiana hohidiana.
Ny vavan’ireo ‘zay mitady hanakiana?

Mpitondra matahotra mpanao gazety,
Satria efa zatra manao ny tsy mety?
Dia io fa tsabahina hatramin’ny holafitra
Hanaovana paika tsy manara-drafitra?

Mpitondra matahotra mpanao gazety?
Mitovy amin’ny omby mataho-tsarety!
Natao mba hitarika, kanjo igagàna
Fa tsy misafidy ny “ara-dalàna”!

Mpitondra matahotra mpanao gazety.
Mampiasa ny vola ary koa ny malety!
Kanefa aza kivy fa dia mahareta
‘Nareo miady lava amin’ny “olona veta”!

TSIMIMALO (31-10-21)