RAVAO ILAY KOMITY

Ravao ilay komity tsy mahaleotena,
Ilay fanetribe ho an’ity firenena,
Satria hita taratra aty am-piaingana
Fa mpanaonao zavatra tsy ara-dalàna.

Ravao ilay komity tsy mahaleotena,
Raha mbola mba misy ihany ny fahendrena,
Fa tena ho korontana ambony sy ambany
Raha toa io no no mbola hotanana ihany.

Ravao ilay komity tsy mahaleotena,
Malaza amin’ny halatra sy ny hafetsena,
Fa ao no ipoiran’ny resaka hosoka
Sy irony lisitra ambara ho “vorosoka”.

Ravao ilay komity tsy mahaleotena.
Vorio ny hery velon’ity firenena.
Atsangano ny rafitra soa hotohanana
Ho mpanara-maso an’ireo fifidianana.

Ireo efa teo aza averina intsony
Fa efa voagejan’ny vola ny fony,
No hita ho taranja tsy tiany hanadinana
Sady tsy hainy “ny fahamarinana”!

DADAN’i RIANA (02-11-21)