EDITO 2 Novambra – Zotram-pifidianana tsy nitondra soa ho an’ny firenena

Sôh’son

Tsy ny hamisavisana ny ratsy mba hihavin’ny soa araka ny fomba fiteny intsony ny zava-hisy, fa tena hahatsinjovana ny ratsy ho avy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Niaraha-nahita sy niaina tsara izao hoan’ny sarambabem-bahoaka, fa tsy afak’olana teto amin’ny firenena nanomboka hatrany amin’ny 2018 nidirana amin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika. Ilay fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana mihitsy no fototry ny olana.

Ankoatra ny fihetsika hafahafan’ny olona sasany nanao ny fampielezan-kevitra na mialoha ny fotoana na tao anatiny, dia teo ny fomba fiasan’ny Vaomiera lazaina ho mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Niaraha-nahalala tsara ny zava-nisy tamin’ireo fifidianana rehetra nolalovana tao anatin’ny roa taona eo. Tsy nilamina araka ny tokony ho izy sy ara-dalàna ny fifidianana raha atao mahitsy ny filaza azy. Nanome vahana ny mpitondra ankehitriny ny zavatra natao. Tsy hisy afaka handà, fa izany no fototry ny olana misy eto amin’ity firenena ity tao anatin’ny telo taona izay, satria ilay fahamarinana mihitsy no voahosihosy na noezahina notakonana andian’olom-bitsy. Misy porofo izany, ary santionany ny zava-nitranga teny anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo renivohitra tamin’ireny fotoana ireny. Tsy ho voakosoky ny tantara ezahina ovaina ny nitranga tamin’izany. Zary nopasopasohina fotsiny izany ny resaka rehefa namarana ny asany ireo mpikambana teo anivon’ny Ceni. Tsy nisy arakaraka ny tsy fahombiazany, toy ireo olom-boatendry rehetra teo amin’ny fitondrana nanao asa tsy mazava. Toy izany koa ny teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC). Lasitra iray ihany ny zavatra hitan’ny olom-pirenena momba izay fifidianana izay.

Dia novaina ankehitriny ireo mpikambana tamin’ireo sehatra roa lehibe iankinan’ny fizotran’ny fiainam-pirenena, na ho amin’ny tsara na tsia ireo. Efa iaraha-mahita ny eo anivon’ny Hcc, fa ny an’ny Ceni no toerana vitsy sisa no tsy feno. Efa tsinjo sahady anefa ny ho mpikambana sy ny ho fomba fiasany izy ireo raha ny fandinihan’ireo mpisehatra politika maro sy mpanaraka ny raharaham-pirenena. Nisy mihitsy aza mpisehatra politika nanoritra mazava, fa “maizin-kitroka ny ho avy”. Ny olona fotsiny no mody miova, fa ny hitranga toy ny omaly ihany. Mby amin’ilay fiteny hoe “ Jerena maloton’omby, avadika maloton’omby”, “Kotozafy ihany no Alexis”. Ny fahitana ireo mpikambana m(h)andrafitra ireo sehatra roa ireo, izay ny ankamaroany olon’ny fitondrana ankehitriny avokoa no nahatonga izany fiheverana izany. Izany hoe, raha tsorina, volan-kankafotra ihany ny zavatra hisy eto amin’ity firenena ity amin’ny ho avy, indrindra raha hiatrika fifidianana indray.

Raha ny fahenoina ny hevitry ny sokajin’olona samihafa, na ireo mpisehatra politika maro samihafa izany, dia efa manoritra ny ho zotran’ny fifidianana ho avy ny mpitondra ankehitriny. Izany hoe, fifidianana tsy ho madio sy mangarahara no hitranga eo. Ny ahiahy tsy ihavanana, anjaran’ny fitondrana ny mandiso izany raha tsy marina, fa izy no tomponandraikitra amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena.