MPITONDRA MIFANAFIN-KELOKA

Mahagaga ity ‘nareo tsy sahy manova na manolo,
Na dia hita ireo ekipa f’efa lo sy bobongolo.
Misy zavatra afenina, misy tiana hokobonina,
Ka ny ratsy tsy soloina fa ihafiana sy tazonina?

Be ireo efa tsy nahomby tamin’ny asa niandraiketany,
Saingy arovana eny foana hatramin’ny hevi-betavetany.
Tsy mivonona hifanitsy, tsy mivonona hifanoro,
ireo mpamotika, mpandrava sy naniraka hampandoro.

Misy ny efa nampitanjaka sy nahafaka baraka,
Saingy tanana eny hatrany sy vao mainka omena laka.
Faly miaraka midola, faly miara-maka sary,
Ireo voatonona ho veta sy ‘reo efa tsy manjary!

…Ireo namotika, nandroba sy nandoro tsisy niangana,
Ireny indray ankehitriny no indro dedaka hanangana.
Lany henatra tanteraka sa tsy manana hatolotra,
Hany ka manentsin-keloka ireto ekipan-dry bemolotra?

DADAN’i RIANA (30-10-21)