Depiote Jack – Vidin’ny lavanila manonga no ilain’ny vahoakan’i Sava

Stefa

Tsy rendrarendra fa vidin’ny lavanila manonga, na miakatra, no tena ilain’ny vahoaka any amin’ny faritra Sava amin’izao fotoana, satria mijaly ny mponina any an-toerana noho ny fitontonganan’ny vidin’ity vokatra fanondarana ity.

Anisan’ny tena nandrasan’ny maro tamin’ny fandalovan’ny filoha Rajoelina tany Sambava ny kabary nataon’ny depiote voafidy tany an-toerana, Mamangy Norbert, na depiote Jack, izay tena mitondra ny hetahetan’ny mponina any an-toerana tokoa. Mitady ny fiakaram-bidin’ny lavanila ny vahoaka, hoy Depiote Jack.

Nandritra ny fandalovan’ny filoha Andry Rajoelina tany amin’ny faritra SAVA ny faran’ny herinandro teo, nahasarika olona betsaka ny kabary nataon’ny Depiote Mamangy Norbert. “Raha araiky foagna no iandrasan’ôlo jiaby io prezidà! Ny vidin’ny lavanio miakatra! Izay midika, tokana ihany no tadiavin’ireo vahoaka marobe ireo dia ny fisondrotan’ny vidin’ny lavanila”, io no ampahany resaka nataon’ny Depiote Jack teo anatrehan’ny Prézidà Rajoelina, izay nampihoraka ny vahoaka tamin’ny hafaliana. Nampatsiahivin’ity olom-bofidy ity ihany koa ny fampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina, fony izy kandidà ho filoham-pirenena, nandritry ny fampielezankevitra nataony tao Sambava, hampiakatra avo telo heny ny vidin’ny lavanila. Hatramin’izao anefa tsy tontosa izany.

Raha ny vaovao voaray, tsy Rajoelina loatra no nahamaro ny olona tonga, na tany Sambava, na tany Antalaha, fa noho ny fampisehoana nataon’ireo tarika malaza any amin’iny faritra iny, teo koa ny fitaterana ireo olona avy any ambanivolo ary nomena vola.