Mpampijaly zaza – Lehilahy Frantsay karohana fatratra na “wanted”

Lehilahy Frantsay iray no karohana fatratra na “wanted” amin’izao fotoana.

Araka ny filazana fikarohana avy amin’ny polisim-pirenena: io lehilahy teratany frantsay io dia mpampijaly zaza (maltraitance et séquestration d’enfant) ary miketrika ny hanondrana zaza hiala eto Madagasikara, no sady mampiasa taratasy hosoka. Gyonnet Olivier no anarany ary 53 taona ny lehilahy.

Iangaviana izay mahita na mahafantatra vaovao mahakasika azy, mba hampandre haingana ny mpitandro filaminana akaiky azy , na hiantso avy hatrany ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Anosy: 0340550712.

Ny Polisim-pirenena dia manome toky, fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Ny olona mandray na mampiantrano, na manafina olon-dratsy dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy, ka hohenjehana araka ny lalàna.