Nesorina ny Préfet an’i Morondava – Misy mitaky kosa ankilany ny falana ny governoran’i Menabe

Stefa

Nesorin’ny fitondrana ny Préfet an’i Morondava, noho izay antony izay, misy mitaky koa ankilany ny fanalana ny governoran’ny faritra Menabe.

Araka ny vaovao voaray, manoloana ny fanalana ny Préfet an’i Morondava dia takian’ny olona sasany any amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina koa ny hanalana ny Governoran’ny ny faritra Menabe. Manao antso amin’ny tambazotra sosialy ireo mponina sasany ao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina, fa ataon’ny Governora ho zanak’Ikalahafa manoloana ny tetik’asan’ny faritra ny any Belo. Tsy mba misy ho an’ireo distrika 4 izay anisan’ny mandrafitra ny faritra Menabe, fa toa variana ao amin’ny distrikan’i Morondava fotsiny ny governora hoy ny fanambarana. Tsy i Morondava irery hoy izy ireo no faritra Menabe. Hatreto dia tsy misy na dia kely aza, asa vitan’ny governora any amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina. Ny lalana mampitohy an’i Morondava sy Belo dia hita fa ratsy ary misy tena hatahorana hitrangan’ny loza, nefa dia jeren-dRagôva fotsiny.

Lazaina fa tsy ampy ny vola hoy ny fanambarana, nefa laniany ao Morondava daholo ny vola. Lalana mankany amin’ny fianakaviany sy ny tranon’ny misitra no nataony goudron (lalana Andakabe ), izay marihina fa tsy be olona mampiasa akory, koa manao antso avo ny hanalana ny Governora ny faritra Menabe ireo vahoaka ao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina.

Ankoatra izany, ny solombavambahoaka izay voafidy tao Belo sur Tsiribihina koa dia variana manenjika ireo ben’ny tanàna tsy mitovy fijery sy loko politika aminy, hoy ihany ny fanambarana.