Mpanao gazety ho ao amin’ny CENI – Mbola ady ny eo amin’i Marc Antoine sy i Soava

Nangonin’i Helisoa

Manoloana ny olana eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana, misy ny fanambarana avy amin’ny Cellule de Crise ny asan-gazety eto amintsika.

« Manamarina ny antom-pijoroan’ny Cellule de crise hatramin’izay ny zava-misy ankehitriny. Mazava izao ny sary:
– niniana nasarotina araka ny lalàna napetraky ny minisiteran’ny serasera, ny fahafahan’ny mpanao gazety nirotsaka ho fidiana ho biraon’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM).
– Natao tefy maika ny latsabato, izay tsy nisy na dia mpanara-maso akory aza, mba hahafahana mametraka ny olon’izy ireo ao amin’ny Ceni, izay rafitra fantatra fa tsy tokony hiandany.
-Tanteraka izao ny kajikajin’ny Minisiteran’ny serasera mametraka ny olony ao amin’ny Ceni, izay fantatra fa mpanao politila ny minisitra ary manana ny antokony.
-Apetraka fa tsy olona na ireo namana mpanao gazety no olana, fa ny famelantsika ny fanapotehan’ny mpanao politika ny asantsika.
-Midika zava-dehibe ny tsy faharesen-dahatry ny mpanao gazety maro manerana ny faritra, ka tsy tonga nandatsabato, na nanao vato fotsy tamin’iny latsabato nampandaniana kandida tokana nokarakarain’ny minisitera iny. Isan’izany ny teto Analamanga, Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony…
– Andalam-pametrahana ny rafitra iray mahaleo tena hahafahana miaro ny asa fanaovan-gazety manoloana indrindra ny zava-mitranga miverimberina tahaka izao. Tsy hanavahana an’iza na iza.
– Raha ny zava-misy amin’izao dia tsy azo antenaina ny hiarovan’ny holafitry ny minisitera ny fahalalahan’ny asa fanaovan- gazety. Mitohy ny hetsiky ny Cellule. Efa manatevin-daharana ny eto an-drenivohitra ny any amin’ny faritra ankehitriny…
– Efa mipetraka ny tetiandro amin’ny fanomanana ny fandalovana isam-paritra ary efa mikarakara ny fandraisana izany ireo mpanao gazety namana any amin’ny faritra amin’izao fotoana izao ».

Ankoatra izany, momba an’io ho solontenan’ny mpanao gazety ao amin’ny CENI io, mbola ho ady ny eo amin’ny solontena voafidin’ny holafitra teo aloha, izay mbola ara-dalàna ny fijoroany sy ny nifidianany an’i Marc Antoine Klimchand ho solontenan’ny mpanao gazety ao amin’ny CENI, sy ny nofidian’ny holafitra napetraky ny ministera Soava Andriamarotafika. Ny holafitry ny mpisolovava dia ny solontenany nofidian’ny biraon’ny Holafitra teo aloha no ho solontenany ao amin’ny CENI, noho izany afaka miady ny haha-mpikambana azy amin’ny CENI i Marc Antoine, ny taratasy nalefan’ny CENI hanaovanaa fifidianana rahateo dia tany amin’ny biraon’ny holafitra tarihan’i Gérard Rakotonirina no nivantana. Momba ny fifidianana an’i Soava indray dia misy mampieritreritra ny voka-pifidianana, satria 30 ny vato azony, mifanojo amin’ny isan’ny mpanao gazetim-panjakana nifidy. Midika fa nisy ny baiko nidina nampandaniana an’i Soava, izay mpikambana amin’ny kabinetran’ny ministra Lalatiana koa. Tokim-panompoana an-dRajoelina nataon’ny Ministra Mamasaosy, na i Ministra Veta arak’izany ity nampandaniana an’i Soava heverina hatao ao amin’ny CENI ity.