TIM Andranomasina – Vonona amin’ny fameloma-maso ny antoko

Helisoa

Raikitra ny fameloma-maso ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any amin’ny distrikan’Andramasina faritra Analamanga. Na tsy miaraka amin’ny antoko TIM intsony aza ny depiote voafidy tany an-toerana, dia tsy mampihemotra ireo mpikatroka any an-toerana izany, fa vao mainka mampiredareda ny hambompo amin’ny fampiroboroboana ny antoko Tiako i Madagasikara izy ireo.

Isan’ny distrika nanome vato be ho an’ny filoha Marc Ravalomanana Andramasina tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo iny, saingy noho ny fisian’ny hosoka maro samy hafa tamin’ny fifidianana dia niarahana nahita ny vokatry ny fifidianana.

Tonga tany Andramasina ny birao politikan’ny antoko TIM, notarihan’ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, nihaona mivantana tamin’ireo tompon’andraikitry ny TIM tany an-toerana nanome ny toromarika amin’ny hanaovana ny fameloma-maso ny antoko TIM any Andramasina. Ho jerena amin’ny fotoana manaraka ny fihaonana ho an’ireo mpikatroka rehetra, fa manomboka izao dia efa amperin’asa ireo mpitarika sy ny olomboafidy any an-toerana manomana izany.