OJM, Gérard Rakotonirina – Tsy mampiova ny tolona efa natao sy atao ny famindram-pahefana

Stefa

Tontosa afak’omaly, teny amin’ny biraon’ny filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM) teo aloha, teny Antanimena, ny famindram-pahefana teo amin’i Gérard Rakotonirina, filoha teo aloha, sy Monica Rasoloarison filoha vaovao. Nisy ny tafa fohy tamin’ny mpanao gazety nataon’izy ireo tao aorian’ny famindram-pahefana.

Tsy mandray ho fahavalo ny birao vaovao hitantana ny holafitry ny mpanao gazety izahay, hoy Gérard Rakotonirina nandritra izany, na dia tsy resy lahatra tamin’ny fomba nanaovana ny fifidianana aza. Tsy mampiova n’inon’inona amin’ny foto-kevitra efa nijoroana na ny tolona efa natao sy atao akory ny fifamindram-pahefana, hoy ihany ity filohan’ny holafitra teo aloha ity. Ny hampalalaka ny asa sy hampahaleo tena ny holafitra no tanjona, hoy ihany izy.

Ny filoha vaovao Monica Rasoloarison indray dia nanambara fa: “malalaka ny fanehoan-kevitra, ary tsy sakana amin’ny fiaraha-miasa, hampivoarana sy hiarovana ny asa fanaovan-gazety ny tsy fitovian-kevitra”.