Loza ara-toe-tany eto Madagasikara – An-tapitrisa ny olona atahorana ianjadian’ny hanoanana

Nangonin’Isambilo

Nikarakara valandresaka virtoaly ho an’ny mpanao gazety ny Amnesty International ny talata teo, ka nanolotra ny tsoakevitra anatin’ny tatitra farany nataony momba ny toe-javatra any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izay potiky ny haintany. Nisongadina fa an-tapitrisa ny olona atahorana ianjadian’ny hanoanana eto Madagasikara noho ny loza ara-toe-tany:

Nampahafantarin’ny Amnesty International nandritra io valandresaka virtoaly, na nampitain-davitra ho an’ny mpanao gazety io, fa niharatsy ny haintany any atsimon’i Madagasikara noho ny loza ara-toe-tany manerantany, ary atahorana ny vokatr’izany amin’ny ain’ny olona an-tapitrisany. Noho izany, tsy maintsy mihetsika haingana ny mpitondra eran-tany mba hamonjena aina sy hiarovana ny zo izay atahorana ho voahosihosy noho ny loza ara-toe-tany: anisan’ny haintany ratsy indrindra teo amin’ny tantara ka namoizana ain’olona. Ny Amnesty dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanamafy ny ezaka fanampiana. Ny mpitondra eran’izao tontolo izao dia tsy maintsy manapaka haingana ny famokarana entona manimba, mba hialana amin’ny krizy maha-olona ateraky ny toe-tany ary ny firenena manankarena dia tsy maintsy manome famatsiam-bola betsaka amin’ny toe-bola atokana ho an’ny toe-tany ho an’ny firenena an-dàlam-pandrosoana, anisan’izany ny fanonerana ireo vondrom-piarahamonina voakasika. Ny krizy ara-toe-tany dia nanamafy ny haintany manimban’ny atsimon’i Madagasikara, izay nahatonga ny hanoanana goavana, ka olona miisa 1 tapitrisa ho eo no miatrika mosary, hoy ny Amnesty International ao anatin’ny tatitra vaovao ny talata teo io. Miaina ny haintany ratsy indrindra nisy teo aminy i Madagasikara, izay fampahatsiahivana lehibe fa ny fiovan’ny toe-tany dia efa miteraka fijaliana lehibe sy famoizana ain’olona.

Tara loatra
Tao amin’ny tatitra nataony, “Tara loatra raha efa maty izahay vao ho tonga ny fanampiana“, ny Amnesty dia nanoratra momban’ny fiantraikan’ny haintany amin’ny fahazoana misitraka ireo zon’olombelona ho an’ny olona ao amin’ny faritra “Le Grand Sud” eto Madagasikara, ary marihana fa 91% ny mponina any dia miaina ambanin’ny fetra azo ekena amin’ny fahantrana. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fikambanana, mba handray andraikitra haingana hamahana ny krizy amin’ny toe-tany ary hiaro ny olona any amin’ny firenena toa an’i Madagasikara izay mora tohina amin’ny fiovan’ny toe-tany. “I Madagasikara no lohalaharana amin’ny krizy amin’ny toe-tany. Ho an’ny olona iray tapitrisa dia haintany loza io, ary fanitsakitsahana ny zon’izy ireo hisitraka fiainana, fahasalamana, sakafo ary rano. Mety hidika fa ho faty noho ny hanoanana izy ireo. Izao no mitranga izany toe-javatra izany. Ny vinavina momba ny fiovan’ny toe-tany ankehitriny dia manondro, fa ny haintany dia mety hihamafy kokoa, ka hisy fiantraikany ratsy kokoa amin’ny olona any amin’ny firenena an-dàlam-pandrosoana. Mialoha ny fivoriana momba ny toe-tany ataon’ny Firenena Mikambana ao amin’ny COP26, dia antso fanairana ho an’ny mpitondra an’izao tontolo izao ity, mba tsy hitaredretra intsony izy ireo amin’ny loza ara-toe-tany”, hoy i Agnès Callamard, sekretera jeneralin’ny Amnesty International. “Ny vondrona iraisam-pirenena dia tsy maintsy manome fanampiana sy famatsiam-bola fanampiny avy hatrany ho an’ny olona eto Madagasikara tratry ny haintany, noho ny fatiantoka sy fahavoazana nosedrain’izy ireo. Manomboka izao dia tsy maintsy manome fanampiana ara-bola sy ara-teknika fanampiny koa ireo firenena izay nandray anjara betsaka indrindra tamin’ny fiovan’ny toe-tany sy ireo manana loharanon-karena amin’izany, mba hanampiana ny olona any Madagasikara, mba hahafahany miatrika tsara kokoa ny fiantraikan’ny fiovan’ny toe-tany, toy ny haintany mihamafy sy maharitra.”

Hita maso
Ny Amnesty dia miantso ihany koa ny mpitondra rehetra eran’izao tontolo izao handray andraikitra matotra sy hita maso hampidina 45% ny famokarana entona karbônika hita tamin’ny 2010, ka manana hatramin’ny 2030 izy ireo amin’izany. Ary tokony hahatratra aotra ny famokarana entona karbônika alohan’ny na amin’ny 2050, izay mifanaraka amin’ny porofo ara-tsiansa. Anisan’ny firenena marefo indrindra amin’ny fiovan’ny toe-tany i Madagasikara. Ny porofo ara-tsiansa dia mampiseho fa ny fiovan’ny toe-tany maneran-tany dia mety nahatonga ny mari-pana ambony kokoa sy ny rotsak’orana tsy ho ara-dalàna any amin’ny faritra atsimo izay tany maina, sy nahitana rotsak’orana ambany dia ambany raha hampitahiana amin’ny dimy taona lasa nisesy izay. Nambaran’ny Firenena Mikambana, fa efa eo amoron’ny mosary voalohany eran-tany nateraky ny fiovan’ny toe-tany i Madagasikara.

Ny hamafin’ny haintany
Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo maneran-tany (Programme alimentaire mondiale: PAM) sy ny Sampana miahy ny ara-tsakafo sy ara-pambolena ao amin’ny Firenena Mikambana (Organisation des Nations Unies pour l’alimentation et l’agriculture – ONUAA) dia nilaza tamin’ny volana mey, fa manodidina ny 1.14 tapitrisa ny olona iharan’ny tsy fahampiana ara-tsakafo mahery vaika any atsimo, ary efa ho 14000 no “iharan-doza”, ny sokajy tsy fahampiana ara-tsakafo avo indrindra eo ambanin’ny ambaratonga dimy amin’ny fitaovana fanasokajiana ny tahan’ny fanjarian-tsakafo (Cadre integré de classification de la securité alimentaire na IPC). Sambany izany no voarakitra an-tsoratra hatramin’ny nampidirina teto Madagasikara ny fitaovana fanasokajiana IPC tamin’ny 2016.

Fambolena, fiompiana ary jono
Raha ny filazan’ny ONUAA, 95% ny olona miatrika ny tsy fanjariana ara-tsakafo mafy any atsimon’i Madagasikara dia miankina amin’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Saingy kely ny vanim-potoana ilatsahan’ny orana noho ny mahazatra, tao anatin’izay taona vitsy lasa izay, dia nitarika fihenan’ny famokarana ireo foto-tsakafo, toy ny vary sy mangahazo, ary koa ny fihenan’ny isan’ny omby sy ny habehany. Ny haintany dia niteraka fahafatesan’omby ihany koa, ary vao mainka nampihena ny foto-piveloman’ny olona. Na dia tsy misy antontan’isa ofisialy aza mikasika ny fahafatesana vokatry ny haintany, izay nanomboka tamin’ny novambra 2020, ny Amnesty International dia nanadihady olona marobe avy any amin’ny faritra atsimo, izay nitatitra ny fahafatesana nisy teo amin’ny fiarahamonin’izy ireo noho ny hanoanana. Tamin’ny volana martsa dia nilaza tamin’ny Amnesty International i Votsora, tantsaha iray izay 50 taona, fa olona 10 no maty tao anatin’ny iray volana talohan’io tao an-tanànany, ary olona dimy avy amin’ny tokantrano iray no matin’ny hanoanana tao anatin’ny iray andro. Vehivavy iray noresahina tamin’ny volana martsa koa dia nilaza fa namoy zanaka roa noho ny hanoanana. “Nijaly satria naona izy ireo… ary maty. Tsy dia mihinana na inona na inona izahay,” hoy izy. Nisy lehilahy iray hafa nilaza, fa namoy zazakely roa: “Herintaona sy roa volana ny iray, ary ny iray kosa valo volana. Maty izy ireo efa herintaona lasa izay … Satria tsy nihinana na inona na inona izahay.”

Fiantraikany amin’ny zon’olombelona
Ny haintany dia manambana fa hatahorana ny fahafahana misitraka ny zo hiaina, ary koa ny zo hafa, toy ny zo ho salama, ny zo hisitraka rano, fidiovana ary sakafo ho an’ny olona any atsimon’i Madagasikara.
Satria manova tanteraka ny fiainan’ny olona ny loza, maro no tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny fifindra-monina tany amin’ny faritra hafa mba hitadiavana sakafo. Voaroba ny ho avin’ny ankizy, satria ny hanoanana dia manery ny maro hiala an-tsekoly hitady asa hamelomana ny ankohonany. Ny ray aman-dreny koa tsy sahy mandefa ny zanany any an-tsekoly rehefa tsy nisakafo izy ireo. Ny krizy koa dia mavesatra kokoa ho an’ny vehivavy sy tokantrano entim-behivavy, izay matetika miankina amin’ny fambolena mba hivelomana. “Tsy azontsika ekena intsony fa ny vondron’olona mahantra indrindra sy voahilikilika indrindra amin’ny fiarahamonina no miantoka ny vesatra ambony indrindra amin’ny fihetsika sy ny tsy fahombiazan’ireo firenena mamokatra entona karbonika lehibe indrindra eto an-tany,” hoy i Agnès Callamard. “Ny tena ratsy indrindra dia eritreretina, fa hitombo hatrany ny hamafin’ny haintany eto amin’ity faritra atsimon’i Madagasikara ity, izay mety hidika fa voahosihosy hatrany ny fiarovana ny zon’olombelona. Ny sehatra iraisam-pirenena dia tokony hanao ny adidiny ary hiantoka ny fahafahan’ny tsirairay hisitraka ny zo hanana tontolo madio, salama ary afaka lovainjafy, izay ilaina amin’ny fahazoana misitraka ny zony maro hafa.” Mialoha ny fihaonambe momba ny toe-tany COP26, miantso ny firenena rehetra ny Amnesty International mba: hanome antoka momba ireo tanjona kendrena hampihenana ny famokarana entona manimba, izay mifanaraka amin’ny zon’olombelona, ary hitazona antsika ambanin’ny fiakaran’ny mari-pana manerantany 1.5°C. Hanome antoka fa hanafoana haingana ny solika fôsily fa tsy hiantehitra amin’ny fepetra ala safay izay manemotra ny hetsika iadiana amin’ny loza ara-toe-tany ary izay mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny zon’olombelona. Hametraka rafitra maneran-tany hanohanana ireo olona izay hita fa voakasik’izany ny zony, ary ireo governemanta manankarena dia tokony handoa ny sarany amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola vaovao sy fanampiny izay tsy mila averina. Miantoka ny zon’ireo voakasiky ny fiovan’ny toe-tany amin’ny fampahalalana sy fandraisana anjara amin’ny fanapaha-kevitra mifandraika amin’ny toe-tany.

Ho fanampin’izany, ny Amnesty International dia miantso ny firenena manankarena, mba hampitombo ny famatsiam-bola ho an’ny fihenan’ny famokarana entona karbônika mifanaraka amin’ny zon’olombelona, ary ho an’ny fepetra fiatrehana ny fiovan’ny toe-tany any amin’ny firenena tsy dia manankarena.

Tontolon-kevitra
Nisy haintany efatra nisesy tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, izay nandripaka ny fijinjana sy nanakana ny fahazoan’ny mponina hisitraka sakafo. Ny haintany farany dia nanomboka tamin’ny volana novambra 2020 ary nitohy hatramin’ny vaolana Janoary 2021. Tonga tamin’ny fiandohan’ity taona ity ny vanim-potoana maitso ahitra, ny fotoana anelanelan’ny fambolena sy ny fijinjana, ary nampitombo ny hanoanana maharitra, izay atrehan’ny olona any atsimo. Nisy fiantraikany lehibe tamin’ireo vondrom-piarahamonina traboina ny haintany, nahatonga ny hanoanana, ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahafatesan’ny olona. Raha ny fampitam-baovao faran’ny PAM momba ny sakafo sy ny fanjarian-tsakafo nandritry ny volana aprily ka hatramin’ny volana septambra 2021 dia olona 1.14 tapitrisa avy any atsimon’i Madagasikara no iharan’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika.