Rajoelina sy ny forongony – Hanangana ny nodorany tamin’ny taona 2009

Ny Valosoa

Hanangana ny nodorany tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 tetsy amin’ny Radio sy ny Televiziona Malagasy (ORTM) ny fitondrana Rajoelina sy ny forongony.

Iaraha-mahalala fa nahazo tsodrano avy amin’ity filoha mpanongam-panjakana ity ny fandorana sy ny fandrobana ny ORTM, tamin’ny “Alatsinainy Maity”, ny 26 janoary 2009. Samy nahatadidy ny rehetra ary misy ny horonan-tsary mahakasika izany, fa nandalo teny Anosy Rajoelina tamin’ny zava-nitranga tamin’iny fotoana iny ary teny Andavamamba izy vao nisaraka tamin’ireo mpandoro sy mpandroba niara-niasa tamin’izy ireo.

Fantatra izao fa hananganana mozean’ny vakoky ny haino aman-jery etsy amin’ny tranon’ny Radio Madagasikara (RNM) may ary Rajoelina sy i Ministra Veta: Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, no nametraka ny vato fototry ny asa fanamboarana omaly. Mozean’ny vakoky ny haino aman-jery na Havoria no hampisalorana ny anarany. Voalaza fa haranty ao anatin’ity mozea ity ny fitaovana fahizay, miaraka amin’ny fampisehoana ireo horonan-tsary sy horonam-peo mirakitra ny tantaran’ny firenena. Mbola ho hita ao koa hono, ireo fitaovana sisa tsy may nodoran-dry mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009.