Fitantanam-pirenena – Tsy voafehy ny anatiny sy ny sisin-tany

Sôh’son

Samy afaka migorobaka mivoaka an’ity Nosy ity avokoa, na harena sarobidy, na olona ao anatin’izao fitantanan’ny fitondrana Rajoelina izao. Aiza ilay fiedinedenana nisehoana ho mahay mitondra firenena? sy ny hoe manam-pahaizana manana ny maha izy azy avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta? Izao iaraha-mahita sy mandre izao ny zava-mitranga amin’ny fitantanam-pirenena. Ny fiainam-pirenena anatiny isan’andro tsy maintsy misy fitokonana, sy fitarainana sokajin’olona na vondron’olona. Resaka tany na karama tsy voaray amam-bolana maro no anton’ny fitokonana ao anatin’izany. Mahamenatra ihany, efa any an-tsisin-tanin’olona na any an-tseranany hiditra ao aminy no fantatra na sarona izy ireny matetika. Izay tratra aloha dia fantatra, fa misy ireo voafina ihany dia tafita ny ketrika sy bizina. Asa, iza na inona indray no ho tafavoaka an-tsokosoko manaraka eo?

Aiza ho aiza ny ho tohin’ireny raharaha samihafa ireny momba ny fanadihadiana natao? Mangina tsy andrenesam-peo hatrany ny eo anivon’ny fitondrana, mba hitondra fanazavana ny amin’izany. Avela ho tompon-trano mihono hatrany ny vahoaka Malagasy. Efa misy sary na mahazo an-tsaina sahady ny maro mpanara-baovao, fa hanao toy ireo raharaha hafa indray izay miseho rehetra eo. Raharaha tsy hita fiafaràna. Tsy fahaiza-mitantana avokoa izany rehetra izany, fa tsy araka ny filazana fa mahay sy babany noho ny hafa.

Manampy trotraka izany rehetra izany, ny daroky ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro manjo ny vahoaka. Mba mitady vahaolana ny eo anivon’ny minisiteran’ny varotra, fa toy ny mampiasa langilangy zozoro ihany entiny hamahana ny olana. Mbola midangana ny vidin-javatra ilaina andavanandro na feran’ny fitondrana aza ny vidiny. Tena mbola lafo dia lafo ny vidin’ny menaka na atao 6 arivo sy 7 arivo ariary aza. Toy ny vidin’ny kitapon-tsaribao fandrahoan-kanina izay tsy nihena intsony fa lafo dia lafo nandritry ny taona maro. Miaka-bidy avokoa aza amin’izao fotoana izao, ary mbola hiaka-bidy, ny entana fanjifan’ny vahoaka andavanandro. Midangana tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny maro koa ny kojakoja samy hafa fanorenan-trano toy: ny simenitra, ny vy,…

Tsy voafehin’izao fitondrana Rajoelina izao izany ny zava-misy maro eto amin’ity firenena ity, telo taona niasàny izay. Ny tombana amin’ny vokatra, sahirana ny vahoaka sy ny firenena. Tsy araka ny fampanantenana be natao tany am-piandohana. Tsy vitan’ny vava ny fitondrana firenena.