IREO OLONA AO ANATIN’NY FITONDRANA

Jean Ravelonarivo, praiministra teo aloha Nitsoaka any Soisa Voaeloka dimy taona mihatra an-tranomaizina amin'ny raharaha CNaPS

Manao hadisoana misesisesy ireo olona anatin’ny fitondrana.
Mampiaiky ny maro fa dia malaza ho mpanao tsinontsinona ny lalàna.
Iretsy mpitokona no atahorana dia indro fa lasa manaonao foana.
Tsy mioman-kihaino na koa hijery izay mba fitarainan’ny mpiasa noana.

Tsy zatra milona na mifandray amin’ireo izay lazaina fa hoe “vahoaka”.
Tsy manan-traikefa amin’ny fitantanana fa tena sokajin’ny tsisy hapoaka.
Jereo, avy hatrany dia miaka-pofona, manao teny an’avona tsy voalanja.
Tsy fantany fa pitik’afo kely dia mety hampirefotra be ny vanja!

Manao hadisoana misesisesy ireo olona anatin’ny fitondrana.
Ny akama izay tokony hanala sazy, navoaka any ivelany, tsy voatana.
Lazaina ho mihidy ny sisintany kanefa ny ngeza dia tafavoaka.
(Moa azo rovitina ve ny harato rehefa ny akama no tiana hitsoaka?).

Dia mody dradraina fa hosamborina ireo lasa nilefa na koa nandositra.
Fa saingy efa be no tsy mino intsony an’ilay “mpampanaraka omby vositra”!
Ny fonja natao ho “manara-penitra”, ny fomba fanao tsisy fiovana.
Toa fasana ka dia madio ivelany ‘nareo ao anatin’ny fitondrana!

DADAN’i ZINA (27-10-21)