EDITO 30 oktobra – CENI Vaovao – Mety tsy hisy intsony ny “héros” toa an’i Thierry Rakotonarivo

Ny Valosoa

Niaraha-nahita ny totonondry bory nataon’ny fitondrana tamin’ny fifidianana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Ceni, hita izany tany amin’ny sehatra samihafa.

NY VOAMBOLANA FAHALEOVANTENA MIHITSY NO TSY MIHATRA

Efa hatramin’ny taona 1960 nambara fa niverenan’ny “fahaleovantena”, no nampisalasala ilay “fahaleovantena” ankalazaintsika isaky ny 26 Jona, satria toa mbola tsy afa-bela amin’ny frantsay isika, nandritra ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana ihany no nahatsapana fa niaina tao anatin’ny fiandrianampirenena isika, fa nony tonga teo amin’ny fitondrana i Rajoelina sy ny fandrobana fahefana ary ny famotehina ireo fananana iombonana dia very tanteraka ny fanantenana, satria vao mainka nilentika ny firenena, ka ilay fahaleovantena efa nahitana mangirana dia toa zary nofinofy sisa arak’ilay soratra etsy anoloan’ny Lapan’ny tanàna.

Rehefa fotoam-pifidianana indray dia maro ireo kandida no mitonona ho “tsy miankina” na “mahaleo tena”, ka raha misy amin’izy ireny rehefa voafidy dia tsy manaja intsony ny maha “mahaleo tena” na maha “tsy miankina” azy ireny rehefa tonga any andapa, fa lasa mialokaloka sy mikarama any amin’ireo antoko lehibe, ny tena mahatsikaiky dia olomboafidy miankindoha tanteraka sady tsy manana intsony ny fahaleovantenany no fahitana azy ireny.

LANY HENATRA TANTERAKA NY FITONDRANA SY IREO SARIBAKOLINY

Saribakoly tsotr’izao no iantsoana ireo olona atosiky ny fitondrana ho mpikambana ao amin’ny Ceni, satria samy nahitana porofo avokoa ny amboletra nampanaovin’ny fitondrana.

Tao amin’ny fifidianana izay ho solontenan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety, dia nanaja ny lalàna ary nanome hasina ny taratasy nalefan’ny Ceni ny Holafitrin’ny Mpanao Gazety teo ambany fitarihan’ny Filoha Rakotonirina Gerard, izay tsiahivina ny voalazan’ny lalàna, fa manao ny asany ara-dalàna ny Holafitra mandra-pijoron’ny birao vaovao, fa tsy hoe manao fampandehanan-draharaha fotsiny akory, noho izany dia mifanaraka amin’ny lalàna ny nahavoafidy an’i Marc Antoine mpanao gazetin’ny MaTv, marihina f’ireo nilatsaka ho fidiana dia efa nandalo teo anatrehan’ireo manam-pahalalana momba ny fifidianana.

Fa ny Holafitra notarihan’i Rasoloarison Monica, izay voafidy tamin’ny fomba sadasada dia mikiribiby koa nifidy ny solontenan’ny Holafitra tsy araka ny lalàna, ka lany tamin’izany i Soava Andriamarotafika mpanao gazetin’ny Viva sy ny Telonohorefy. Efa ela no nanirian’i Soava izany hoe mba ho voafidy izany, ka izao vao tanteraka izany, i Soava no azo lazaina hoe “eternel candidat” na “kandida foana sy hatrany” tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitra, satria nilatsaka foana i Soava isaky ny misy fifidianana, saingy tsy lany foana koa, ka fanararaotra ny fotoana isian’ny fitondrana kitoatoa toy ny amin’izao mba hahazoana toerana, sady ny Tale Jeneralin’ny serasera rahateo ankizy ao antranony ampy tsara hanao izay hampandresy azy.

Teo amin’ny fifidianana ireo mpikambana roa hisolotena ny firaisamonimpirenena, dia mazava ny nambaran’ny firaisamonimpirenena Safidy sy Rohy, fa nisy ny fanilihana azy ireo tsy ho mpifidy sy ho fidiana, ka ireo solontena roa voafidy dia tsy afa-miala amin’ny maha saribakolin’ny fitondrana azy ireo, nametraka fitoriana tany amin’ny Filankevi-panjakana ny Rohy sy ny Safidy, ka andrasana izay ho valiny.

Tao amin’ny Antenimierampirenena indray dia mampihomehy araka ny fitenin-jatovo satria nahazo vato 118 tamin’ny mpifidy 130 ilay voafidy, ka ny 51 tamin’ireo mpifidy dia mpifidy tsy tonga teny andapa fa nanome alalana ahazoana mifidy na “vote par procuration”, nambaran’ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa Depiote Tim, fa tsy ara-dalàna ireo “procuration”, satria tsy misy sonia mazava ary ny tena nahatsikaiky dia nisy depiote Ird tonga tao andapa kanefa anisan’ireo nanome “procuration”, ny dikan’izany dia feno hosoka ny fandaniana ny solontenan’ny Antenimierampirenena ao amin’ny Ceni.

Ireo mpikambana sasany izay ho tendren’ny Filohan’ny Repoblika sy Antenimerandoholona ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena dia tsy ilaina asiana resaka intsony, fa dia azo antoka roanjato isanjato fa dia ho fitaovana ampiasain’ny fitondrana hanao ny hosoka amin’ny fifidianana, ka ho nofinofy sisa ny isian’ny “Heros” sahala amin’i Thierry Rakotonarivo, izay nanaja tamin’ny antsakany sy andavany ny fianianana nataony, ka nahasahy namoaka ny marina rehetra momba ny fifidianana izay nafenin’ireo saribakoly “Zero” nivadika tamin’ny fianianana nataony.