EDITO 28 oktobra – Anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena ankehitriny

Helisoa

Mandeha ny andro sy ny volana, efa ho 3 taona latsaka kely ny mpitondra fanjakàna napetraky ny HCC sy ny CENI Andry Rajoelina, no nitantana ny firenena. Re tamin’ny fampielezan-kevitra nataony, fa hitondra fiainam-baovao ho an’ny Malagasy 25 tapitrisa izy. Indrisy anefa fa tafiditra ao anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena ankehitriny.

Latsaky ny aotra izany hoe miiba ny fisondrotan’ny harin-karena eto Madagasikara amin’izao fotoana, izany hoe tsy misondrotra ny harin-karena eto amintsika fa mijotso. Ny marina tamin’ny fampielezan-kevitra izay natao dia hay tsy ny vahoaka Malagasy no ho tsinjovina, fa ireo mpiara-misaosy sy ny tompo-menakely ary ny akamakama. Ka na hita izao aza fa mitondra resabe eto amin’ny firenena ny nataon’ny mpiara-miasa aminy, dia tsy sahiny ny manala avy hatrany ireny olona ireny, fa mety misy ny tahotra sao mamoaka ny tsiambaratelo angamba. Ohatra velona amin’izany ny minisitra ao anaty governemanta izay efa mahazo anara-petaka hoe ‘mamasaosy‘ sy minisitra VETA, fa tsy vitan’ny filoha Andry Rajoelina ny manala izany eo amin’ny toerany, fa vao mainka mifampisisika amin’izay aleha rehetra.

Hita omaly fa nametraka vato fototra tao amin’ny tranoben’ny RNM sy TVM teo Anosy ny filoha Rajoelina sy ity minisitra maha be resaka Lalatiana Rakotondrazafy ity, ny tranon’ny RNM, izay may nodorana tamin’ny fanonganam-panjakàna notarihany ny taona 2009.

Ny seraseran’ity minisitra ity moa dia vao mainka milaza ankolaka hoe akaikin’ny filoha anie ny minisitra Lalatiana na haratsianareo aza e! Dia toy izany no itondràna ny firenena, nefa vahoaka 25 tapitrisa no iantraikan’izany. Fa ho entina aiza ity firenena ity e! Tadidio anefa fa misy farany avokoa ny zavatra rehetra.