MISOKATRA NY SISINTANY ?

Volamena 73,5kg tratra tany Afrika Atsimo

Inona no tombontsoa raha hoe hivoha ny sisintany?
Ho tonga maro ireo vahiny, loharanom-bola izany.
Ny entana izay tena ilaina, mety tsy hanano sarotra.
Hitobaka ny avy any ivelany raha ny sehatry ny varotra.

Saingy ahoana ny amin’ilay aretin-dratsy tena mihanaka,
Fa ny sisintany izany dia vao mainka koa hibanaka?
Moa nosaininao mpitondra? nisy ve ny fiomanana,
Sa dia “tefy maika” hatrany, izay no tena manavanana?

Raha mivoha ny sisintany, tsy vao mainka ve ho loza
Ny hadalana sy hagegena ataonareo “mpitondra foza”?
Fony hoe nikatona aza, tao ny afera namohehatra,
Ka raha tena hoe mivoha, vao mainka halalaka ny sehatra!

Ary toy ny mahazatra dia hitohy ny gaboraraka,
Ka rehefa akamakama dia tsy hisy ny arakaraka.
Afaka mivoaka miditra araka ny nahim-pony,
Fa ny mpiaro dia tsy hafa fa ny ngeza ery ambony !

DADAN’i RIANA (25-10-21)