Lemak’i Bas Mangoky – Ritra ny reniranon’i Mangoky, sahirana ny tantsaha mpamboly vary

Niaina

Maina ihany koa ny toetr’andro amin’izao fotoana any amin’ny distrikan’i Morombe any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, indrindra ny any amin’ny faritra mpamokatra any amin’izany faritra izany dia ny any amin’ny lemak’i Bas Mangoky. Ritra noho izany ny reniranon’i Mangoky, izay manondraka ity lemaka lehibe, anisan’ny mpamoka-bary be eto Madagasikara ity.

Efa tokony hiditra amin’ny fambolem-bary andiany faha-2 ny any an-toerana amin’izao fotoana, nefa izao tsy misy rano izao. Marihana fa mahavokatra vary indroa isan-taona fara-fahakeliny ny any amin’ny lemak’i Bas Mangoky ity. Hiteraka fahasahiranana be ho an’ny tantsaha any an-toerana izao toe-java-misy izao, koa hanairan’ny any an-toerana ny tompon’andraikitra ao amin’ny fambolena.