Antsirabe – Betafo – Miandrivazo – Potika Tsy misy fanamboarana ny lalampirenena (RN34)

Aly

Lalana Antsirabe-Betafo-Miandrivazo, lalampirenena faha-34 (RN34), potika tsy misy fanamboarana ary toa tazanim-potsiny izany fahasimba izany amin’izao fotoana. Efa ela ny lalam-pirenena faha34 anelanelan’Antsirabe sy Betafo ary Miandrivazo no simba, ary amin’izao fiavian’ny orana izao, dia vao mainka izany ho potika, hoy ny vahoaka amin’iny faritr’i Vakinankaratra sy Menabe iny.

Raha tena laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana amin’izao ny lalana, tsy tazanim-potsiny toy izao ny fahasimbany, ny volan’ireo mpikojakoja lalana rahateo aza tsy mbola voavaha hatreto, hoy ireo mpampiasa izany lalana izany. Amin’ny faritra maromaro amin’io lalana io, be ireo lavadavaka ary efa lasa toy ny dobo kely aza amin’ny faritra sasany.

Izany ihany koa dia mahatonga ny tsy fandriampahalemana amin’ity lalampirenena ity. Koa manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ny any an-toerana.