EDITO 23 oktobra – Miseho hatrany ny tsy fanomezan-danjan’ny fitondrana ny sendikà eto Madagasikara

Efa fahita izany fihetsiky izany na tao anaty tetezamita, na izy ao anatin’izao fotoam-piasana efa misasaka izao. Tao anatin’izao dia mbola nahitana fihetsika feno tsindry sy ramatahora atao amin’ireo mpikambana, indrindra ireo mpitarika ny sendikà. Niaraha-nahita ny nahazo ny avy eo anivon’ny paramedy. Tsy adino ny nisongadina nanjo ireo mpitarika ny sendikà tao amin’ny orinasa Jirama, ny tao amin’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar, sns…

Ilay tsy fahafantarana ny maha zava-dehibe ny fisian’izy ireny ao anatina firenena ve ny tena fototry ny olana? Raha mpitondra manana fahaizana sy fahendrena amin’ny fitondrana firenena, dia tena ilaina ireny, fa izy ireo no maso sy sofina amin’ny toe-javamisy any amin’ny sehatra samihafa any, na any amin’ny fanjakana na eny amin’ny tsy miankina. Ny filazana na hetsika ataon’izy ireny no lakolosy fanairana, ka hanarenana ny lesoka sy hanitsiana ny dia amin’ny fitantanam-pirenena. Tsy izany anefa no tsikaritra amin’ny fihetsika sy fomba fiasan’ny fitondrana, fa raisiny hatrany ho fanakianana azy sy indrindra ny loza dia ny fiheverana mandrakariva amin’ny fisian’ny resaka politika. Tena tsy fahaizana mitondra izany. Ny mahafinaritra izao fitondrana izao dia ny fisian’ny sokajin’olona na vahoaka manasohaso sy misolelaka aminy. Iaraha-mahita izany amin’ny toerana samihafa hamoriany olona.

Endrika iray isehon’ny fanitsakitsahana ny demôkrasia eto amin’ny firenena ny tranga miseho amin’ny fanohintohinana ny hetsika sendikaly. Ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra no voakasika ao anatin’izay, izay fototry ny demôkrasia. Tsikaritra fa tsy vonona hiova na hitondra fiovàna amin’ny fomba fiasa ny fitondrana toy izay efa nataony hatramin’izay. Tsy hita soritra mihitsy ihany koa ny finiavany hifanatona hifampiresaka amin’ireo izay manao hetsika hitadiavam-bahaolana. Anisan’ireny, ankoatra ny eny amin’ny Anjerimanontolo, ny eny amin’ny mpitsabo mpanampy, ny mpiasan’ny kraoma, ireo vondron’ny orinasa manao lalana, sns… Sehatra maro no tsy ahitan’izao fitondrana izao vahaolana fa mihitsoka, izay midika ho tsy fahaiza-mitantana firenena izany.