FANDAINGANA MANARA-PENITRA ?

Tena zava-tsy hainareo ve ny mamaritra fotoana,
Fa izay fetra mba lazaina, “disodiso kely” foana?
Ny hihoerahoera mantsy, izay no tanjona hokendrena,
Hany ka tsy misy marina ireo mba fe-potoana omena?

“Telo andro” no nambaran’ny filoham-pirenena
Dia hoe hidina amin’izay ny vidin’entana eny an-tsena.
Saingy hatreto dia tsy tsapa sy tsy hita aloha izany.
Fa raha ny kapoakam-bary, mbola fitonjato ihany.

Hisy koa ny sambo ho avy, hoentina mamaha ireo olana.
Raha ny vinavina izany dia hoe afaka iray volana.
Saingy hatreto toa tsy hita fa nijanona ho teny.
Misy “ambotaiazy” koa ve eny an-dranomasina eny?

“Efa vonona daholo” hoy ny filoha, somary jenitra,
Ny amin’ny entina hananganana an’ireo “manara-penitra”.
Dia ny mpiasa no indro niesona, tsy nandray karama indray,
F’izay ve ‘lay “manara-penitra” hidedahana aminay?

DADAN’i ZINA (21-10-21)