Manohy ny fitokonany ny PAT eny Ankatso – Mbola tsy any amin’ny Paositra izany ny karaman’izy ireo

Stefa

Mbola mafana hatrany ny toe-draharaha eny Ankatso amin’izao fotoana, manohy ny fitakiana ny karama sy ny fanampiana, na subvention, ho azy ireo ny PAT, na ireo mpiasa sy mpandraharaha eny amin’ny Anjerimanontolo.

Omaly tamin’ny 9 ora sy sasany teo, nihaona tamin’ny DAF eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny mpandraharaha eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nilaza ity tompon’andraikitra ity, fa efa tonga ao amin’ny Paositra Malagasy ny karaman’ireo mpandraharahan’ny Oniversite. Minitra vitsy taorian’ny fihaonana io dia nirohotra teo amin’ny làlam-be ireo mpanao fitokonana. Nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo nandritra izany ary nanambara hoe: « Omeo ny karamanay, dia ho afaka mianatra amin’izay ireo mpianatra. Milaza ny tompon’andraikitra fa efa nalefa ao amin’ny Paositra ny karamanay, rehefa nandeha teny anefa izahay dia tsy hita ao akory izany, satria tsy vao sambany izy ireo no nilaza izany », hoy ireo mpandraharaha manao fitokonana.

Tamin’ny 10 ora atoandro teo ireo mpandraharaha, no nirohotra teo amin’ny arabe, ka nanakan-dàlana, 30 minitra taorian’izay dia tonga ny mpitandro filaminana nanala ireo sakana. Tsy nisy ny fandefasana bomba mandatsa-dranomaso teto, na izany na tsy izany, mbola henjana ny tady eo amin’ireto mpitokona ireto sy ny tompon’andraikitra ao amin’ny fitondrana.