Cellule de crise ny asan-gazety – Mitohy hatrany ny hetsika na resy tamin’ny filakevim-panjakàna aza

Helisoa

Nitsangana ny vondron’ny mpanao gazety mitondra ny anarana CELLULE  de CRISEmanohitra ny fifidianana bontolo ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara: OJM, nataon’ny minisiteran’ny serasera tarihan’ ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, rehefa nikiribiby hanao fifidianana ihany  ity farany, na tsy andraikiny aza ny manao izany. Efa nisy ny dingana maro natrehan’ny  cellule de crise nandritra  izany, nefa moa mbola natao amboletra ihany ny latsabato ny sabotsy lasa teo, ka kandida tokana no noterena ho fidian’ny mpanao gazety.

Manoloana izany indrindra dia nisy ny fitoriana napetraky ny cellule de crise tao   amin’ny Filakevi-panjakàna na Conseil d’Etat, ka ny mpanao gazety Princie Ramantsoavina no solontenan’ireto farany tao. Ny fototry ny fitoriana dia ny  fampiatoana sy fanafoanana ny fifidianana natao amboletra.

Nivoaka omaly ihany anefa ny didy, ka nolavin’ny fitsaràna ny fitoriana roa napetraka. Na izany aza hoy ny mpanao gazety Princie Ramantsoavina   solontenan’ny cellule de crise ny zavatra misy, na resy aza izahay dia tsy midika izany fa hijanona amin’izao ny ady atao  amin’ny bontolo sy antsojay atao  amin’ny asa fanaovan-gazety, fa tsy maintsy mitohy hatrany izany.

Drafitra maro no efa natao, ary iny fitoriana iny dia dingana ihany izay tsy maintsy nolalovana; efa iny no didy navoakan’ny fitsaràna mahefa dia mitohy amin’ny dingana hafa ny cellule de crise, izay hambara ihany amin’ny fotoana mahamety azy. Ny fifidianana OJM natao iny dia ataon’ny cellule de crise ohatra ny tsy misy araka ny fanambarany.