Antoko TIM – Miray hina, manana fitsipika, manana ny maha izy azy

Helisoa

Manoloana ny tsaho mandeha etsy sy eroa milaza fa mizarazara ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia nanambara ny filoha Marc Ravalomanana filoha nasionaly ny antoko TIM, fa antoko iray tsy mivaky, manana ny fitsipika mifehy azy ary miray hina ny TIM. Re izany nandritra ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo solombavambahoaka TIM teny Faravohitra ny talata lasa teo, amin’izao anaovana ny fivoriana ara-potoanan’ireo solombavambahoaka izao, mba hanomezana toromarika azy ireo. Misy hoy izy ny paik’ady entin’ny antoko, ka raha misy manaratsy any ambadika any dia hitanareo izao hoy ny filoha Marc Ravalomanana, fa miray hina ny TIM.

Tsy maintsy misy ny tsy fitovian-kevitra, nefa ao anaty fitsipika mifehy ny antoko no anaovana izany. Midika koa iny fihaonana teny Faravohitra iny, fa vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny antoko najoron’i Dada, na handeha alohan’ny fotoana izany na tsia. Vonona haka fahefana foana ny TIM na rahoviana na rahoviana.