ALOAVY NY KARAMAN’NY MPIASA

Aloavy ny karama, efao ny trosa ry mpitondra,
F’aza dia miziriziry sy manao lohan’ampondra.
Tsy mitaky izay tsy azy iretsy mpiasa izay mivondrona,
K’aza dia aetry indray ho “vitsy an’isa” sady “dondrona”.

Mba amboary ny fiteny sy ny fomba amam-panao,
Fa sao hampiaiky iretsy mpiasa sy izao tontolo izao.
Ny laingalainga koa fadio, ny vava tsy ambina ialao.
Dia aza tia mampanantena volana ho kilalao!

Ny “tsy mikaton-dohamalemy” no miteniteny foana,
Ka mandatsa indray ny mpiasa efa mahantra sady noana.
Fa ny manana fanahy, mahay mijery ireo vahoakany,
Ary dia mandanjalanja hatramin’ny teny izay havoakany!

…Koa aloavy ny karama sy ny trosa be miavosa.
Tanteraho ny andraikitrao sy ireo adidy tsy tontosa.
Aoka tsy hangataka andro ny amin’ny zavatra ampanaovina,
Ary aza ny aim-bahoaka, aza ireny no lalaovina!

TSIMIMALO (20-10-21)