EDITO 21 oktobra – Hetsika etsy sy eroa – Mitaky fanazavana sy mangarahara

Sôh’son

Mitaky fanazavana sy mangarahara ny dikan’ny hetsika etsy sy eroa, mitaky ny fandoavana ny vola na ny karama tsy voaloan’ny fanjakana amam-bolana maro. Tsy misy teny na filazana avy amin’ny fitondrana anefa mamaly ny hetahetan’ireo mpanao hetsika ankoatra ny teny amin’ny ambaratonga ambony hatreto. Mbola amin’ny ampahany kely ihany aza no nambara novahana ao anatin’izany. Ny an’ireo hafa kosa dia tsy mbola fantatra ny momba ny olany. Hatreto, ny fitondrana tsy mivaky ho tsy manam-bola, fa ny hany tsaroana dia ny nambaran’ny Praiministra fa manam-bola izy ireo raha niresaka ny olan’ny vatsim-pianarana teny amin’ny Oniversiten’Ankatso ny tenany.

Raha ny nambaran’ny mpamakafaka, dia manana olana ara-bola ankehitriny ny fitondrana, ary tokony hivaky izany amin’ny vahoaka. Ny fampanantenana anefa tetsy ankilany goavana. Mby amin’ilay fitenenana hoe “be famaritra toy ny rambon’osy”. Miseho ho miasa ny fitondrana kanefa, dia ampahany kely amin’ny tokony ho natao ihany no vita hatreto. Be ireo asa tsy vita, mbola mandringa mafy ny lafiny sosisalim-bahoaka, saro-toerana ny fandriampahalemana, hany ka mandry tsy lavo loha sy mitaintain-dava toy ny sahobakaka ambodiriana ny vahoaka. Ezahina takonana amin’ny fihetsiketsehana be amin’ny zavatra tokanana na asa atomboka etsy sy eroa izany fahoriam-bahoaka rehetra izany. Ity fitondrana ity rahateo ny mampiavaka azy dia tsy sahy miaiky ny tsy fahombiazany, fa matin’ny hambony fotsiny, na dia efa be mahalala aza ny zava-misy, fa tsy misy sahy mivaky fotsiny noho ny geja amin’ny tsy fahafahana miteny sy maneho hevitra malalaka.

Misy ireo minisitra miseho ho kinga sy mahay ao anatin’izao governemanta farany izao. Ho hatraiza anefa ny fahombiazan’izy ireo manoloana ny halalin’ny hantsana lehibe ilentehan’ny fahantram-bahoaka? Iaraha-mahita eo ny fizotry ny asan’izy rehetra indray, ary andrasana ny fiantraikan’izay any amin’ny ati-vilanin’ny isan-tokantrano sy ny kitapom-bolany. Izay ihany mantsy no tena mahamaika ny sarambabem-bahoaka.