ANY IANAO RY RAIN’NY LAINGA

Ianao mihitsy ry olona iny ilay mpitondra rain’ny lainga.
E jereo ity firenena, reraka, tsy mety miainga.
Noho ianao nampanantena, tena maro ireo nibitaka,
Kanjo ireo ankehitriny mahatsiaro fa voafitaka!

Tetezana mihevaheva, tranobe mijoalajoala.
Aiza no efa misy izany f’izahay tsy mahalala?
Moa ve lany indray ny vola saika hanaovana an’izany?
Ry mpitondra rain’ny lainga, maro anie no manontany!

Vary mora, tena mora, ho dimanjato ny kilao.
Izany, folo taona lasa, no propagandinao.
Kanefa andeha hoe mba jereo ny vidim-bary tato ho ato.
Tsy mahazo iray kapoaka raha izay vola dimanjato!

Menaka dia tsy lazaina, ho iray alina ny litatra,
Ka ianao no rain’ny lainga sa ‘zahay no tia manitatra?
Vao santionany ireo fa be dia be no azo ambara.
Ry mpitondra rain’ny lainga, hoentina aiza i Gasikara?

DADAN’i ZINA (14-10-21)