Depiote Todisoa, TIM Boriboritany VI – Nanampy amin’ny fanamboarana tetezana eny Andranomena

Isambilo

Nanampy amin’ny fanamboarana tetezana eny Andranomena, ao amin’ny Boriboritany faha-VI eto Antananarivo Renivohitra, ny depiote avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ao amin’ity boriboritany ity, Todisoa Andriamampandry.

Nambarany fa: “na dia tsy asan’ny Solombavambahoaka aza ny manao fotodrafitr’asa, noho ny fangatahan’ny mponina ao Andranomena Ambohimanarina dia raisiko andraikitra ny fanamboarana ilay tetezana “beton” eny an-toerana ary efa nanomboka ny asa.

Marihina fa ny fandaniana ny amin’ny fanamboarana dia ny tenanay manontolo no HIANTOKA MADIODIO izany na ara-pitaovana na ara-bola, amin’ny vola aty am-paosy. Efa an-taonany maro no tsy nisy nijery io tetezana io ary niteraka ratra na niharan’ny herisetra sy tsy fandriampahalemana ho an’ireo izay nandalo teo. Raha sitrapon’ny Tompo dia ezahina ho vitaina amin’ity volana Oktobra ity ny asa”. Efa fanaon’ity depiote TIM ity ny asa soa, sy asa sosialy ao amin’ny Boriboritany iadidiany.