Resy ny ben’ny tanàna Vazahabe – Tsy miala ireo mpanolotsaina folo mianadahy

Niaina

Resy ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina, tsy miala amin’ny toerany, fa mijanona ho mpanolotsainan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany izy 10 miandahy notorian’ny ben’ny tanànan’Antananarivo fa hoesorina. Io no vokatry ny didy tetsy amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana Anosy omaly.

Nanambara ireo mpanolotsainan’ny tanàna tao aorian’izany, fa fandresena ho an’ny fahamarinana izany, satria nolavin’ny fitsaràna avokoa ireo fitoriana rehetra tao, izay nataon’ny Sefo Fokontany sy ny ben’ny tanàna. Mijanona ho mpanolotsainan’ny tanàna avokoa arak’izany ireo olom-boafidy 10 mianadahy.

Ankoatr’izany, nolavin’ny fitsarana koa ny fitoriana nataon-dRamatoa Clémence Raharinirina hanesorana ny Ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina. Naharesy ireo mpanolotsaina teo anatrehan’ny Ben’ny tanàna sy ny Prefektiora. Me Willy Razafinjatovo na Olala sy Me Eloi Ratefimahefamijoro, ary mpisolo vava mianadahy nanampy azy ireo, no nisahana ny fiarovana an’ireo mpanolotsaina.