Mpanao gazety ho ao amin’ny CENI – Marc Antoine ao amin’ny Groupe Matv no voafidy

Isambilo

Voafidy omaly ny solontenan’ny mpanao gazety ho ao anivon’ny CENI, na ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana. Marc Antoine Klimchand mpanao gazety ao amin’ny Groupe Matv : mpanao gazetin’ny Malaza Madagascar sy fahitalavitra Matv izy.

Nanatanteraka izany fifidianana izany omaly, ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) amperin’asa, tarihan’i Gérard Rakotonirina araka ny taratasy nalefan’ny CENI tamin’izy ireo. Araka ny vokatry ny fifidianana nataon’ny ny mpikambana miisa 12 ao anatin’ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM) amperinasa, rehefa avy nijery sy nihaino azy telo (03) mirahalahy dia:
Vato enina (06) no azon’i Marc Antoine KLIMCHAND.
Vato dimy (05) no azon’i HERINIRINA LALAO RAZAFIMAHEFA.
Vato iray (01) no azon’i Jean Luc RAHAGA.

Marihina fa miisa 15 ny mpikambana saingy, ny Mpitam-bola dia efa tsy afaka manantotosa ny asa intsony noho ny aretina nahao azy, ny Mpanolontsaina ao Antsiranana dia tsy mipetraka sy tsy miasa intsony eto Madagasikara, ny Mpanolontsaina ao Toamasina dia tsy namaly ny antso natao azy nandritra ity fifidianana ny solontenan’ny OJM eo anivon’ny CENI.

Araka izany dia natolotra ny CENI ny anaran’i Marc Antoine KLIMCHAND ho solontenan’ny OJM eo anivon’ny CENI hoy ny fanambarana nataon’ny OJM amin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny Miary RASOLOFOARIJAONA.