Vokatry ny teniteny foanan’ny Praiministra – Mafana ny fitokonan’ny mpianatra eny Ankatso

Niaina

Nandritra ny fitokanana trano fanampiny, ho fitaizana zaza kambotin’ny zandarimariam-pirenena tany Arivonimamo faritra Itasy, afak’omaly, nanambara ny Praiministra Ntsay Christian, fa tsy voatery hamoaka vola ho an’ireo rehetra izay manao fitakiana ny fitondrana, be loatra hoy izy ny fanodinkodinam-bola nisy teto. Nahatsiaro ho tohina tamin’izany fanambaran’ny Praiministra izany ny mpianatra eny amin’ny Anjerimananontolo eny Ankatso, nisy ny fitokonana nahery vaika fanakanan-dalana nataon’izy ireo omaly.

Mbola be vava ihany koa ny lehiben’ny governemanta nanambara fa manam-bola ny fanjakana, fa tsy araka ny voalaza hoe tsy misy vola. Raha manam-bola tokoa ary ny fitondrana, haloavy daholo ary ny volan’olona tsy voaloa: ny an’ireo mpandraharahan’ny Oniversite, ny mpiasan’ny CNRO Nosy-Be, ny volan’ireo orinasa mpanao lalana madinidika, ny mpiasan’ny Secren any Antsiranana, ny karaman’ireo ao amin’ny CNEMD,…