Depioten’Antsohihy sy ny namany – Midaroka ireo mpanao gazety manao ny asany

Stefa

Midaroka sy mandrahona mpanao gazety amin’izao fotoana ny depioten’Antsohihy Jao Jean, sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo namany. Nitranga izany afak’omaly tany Anahidrano distrikan’Antsohihy faritra Sofia, nandritra ny fankalazana ny 14 oktobra 1958 tany an-toerana, fety nijoroan’ny Repoblika voalohany teto Madagasikara. Voadaroka nandritra izany ny mpanao gazety Jean Damascène. Vono sy ratra niniana natao, fanalam-baraka, fanambaniana tsy nisy toa izany teo imason’ireo mpitondra fanjakana isan-tsokajiny, sy ny vahoaka no nanjo ny mpanao gazety Jean Damascène Ratiarivelo sy ny mpiaramiasa aminy iray. Volana vitsy lasa izay, efa nahazo fandrahonana ho faty tamin’olona tsy fantatra i Jean Damascène Ratiarivelo. Niantso azy io olona io. Nisy fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, saingy nangina tsy nisy vokany hatramin’izao.

Tsy fantatra ny anton’izao fifofoana aina izao, fa mihorohoro sy mandry andriran’antsy ny namana Damascène. Tamin’ny lanonana tany Anahidrano io, tsy nisy alaharo alaharo, fa namely totohondry azy avy hatrany ny mpamilin’ny depiote iray any an-toerana. Efa novelesin’izy ireo lovia ihany koa ilay mpanao gazety naman’i Damascène, saingy tsy namaly. Giana, samy tsy nisy nahateny ireo manam-pahefana rehetra. Na izany aza, voatery nasintaka ilay mpamily sy ny namany. Nivazavaza izy ireo, fa tsy maintsy ho fatiny ilay mpanao gazety. Mbola nanambany ihany koa, fa inona no dikan’izay mpanao gazety kely karama, tsy mahavelona.

Niandry teny am-bavahady indray ilay mpamily sy ny assistant parlémentaire ary ireo namany hidaroka an’i Damascène. Voatery nantsoina ny polisy mba haka sy hiaro ny ain’ireto mpanao gazety ireto. Hatreto, miafina izy ireo, satria mitady ny fomba rehetra hanaperana ny ainy, ireo mpiara-miasa amin’ny depiote. Mendrika famaizana ny depioten’Antsohihy sy ny mpiara-miasa aminy, amin’izao herisetra sy fandrahonana ataony amin’ny mpampita vaovao izao.