Fifidianana amboletra ny holafitry ny mpanao gazety – Fisintonana ny OJM ho fehezin’i Ministra Veta

Stefa

Vahiny tao amin’ny fandaharana Miara-manonja tao amin’ny Radio Mada, sy tao amin’ny Radio sy ny Televiziona MBS ny mpanao gazety Fernand Cello ao amin’ny “cellule de crise” ny asa fanaovan-gazety. Voaresany tamin’izany ny olana eo amin’ny fifidianana holafitry ny mpanao gazety kasain’ny ministeran’ny serasera hatao amboletra amin’ny sabotsy izao. Nilaza Cello fa tsy olona no olana eo fa rafitra. Tokony hahatsiaro ny ministra Lalatiana hoy izy, fa izy mihintsy tamin’ny fitondrana teo aloha, no nitaona ny holafitra hanangana “conféderation” rehefa niziriziry tamin’ny heviny ny ministra Rolly Mercia tamin’izany. Tokony hotsaroany ihany koa fa efa tany am-ponja ny tongony ilany, nohon’ny fitoriana nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona tamin’izany, Honoré Rakotomanana; kanefa nijoro ny OJM tarihan’i Gérard Rakotnorina niaro azy , dia nijanona ilay fanenjehana. Fantatr’i ramatoa ministra ihany koa, fa avy ao amin’ny holafitra no miainga ny lisitry ny mpanao gazety, satria ny holafitra ihany no mahafantatra ny mpanao gazety rehetra manerana ny nosy. Tonga teo amin’io toerany io nefa ny ministra, dia nizotra tamin’ny làlan’ny teo aloha ihany. Herintaona izy tsy sahy nanao fifidianana kanefa tampoka teo dia taitra, satria niantso ny CENI, mba hametrahana ny solontenan’ny holafitry ny mpanao gazety ao anatiny, ka nihazakazaka amin’izay ramatoa ministra. Marihana fa tsy ny fametrahana ny olon’ny antoko Freedom izay antokon-dramatoa ministra ao amin’ny CENI ihany no tanjony, fa efa misy kajikajy hatrany amin’ny fifidiananan 2023 ihany koa. Nalany daholo koa ireo Ecd tao amin’ny Tvm sy Rnm, hoy ihany Cello. Nijoro ny holafitra niaro izany, ka nanomboka teo ny fankahalana olona. Nanomboka teo koa ny kajikajin-dramatoa ministra Lalatiana, hisintona ny OJM ho an’ny ministera, ka nanaovany ilay lalàna 55 bis, izay miteraka olana hatramin’izao. Nanomboka teo ny fisandohany andraikitra tamin’ny nananganany “commission”, hikarakara fifidianana, izay olona notendreny no mandrafitra azy. Mahakasika ilay fifidianana kasaina hatao: karapanondrom-pirenena dia ahafahana mifidy. Ny fitsipika momba an’io koa tsy fantatra . Ny “caution”aloha midangana. Ahoana ny fomba ahitana mpanao gazety 93 eran’ny faritra handrafitra ny birao, kanefa tsy misy mpanao gazety “privé” maro any amin’ny faritra ankoatran’ny mpiasan’ny Rnm sy Tvm, izay efa mahazo tsindry sy teritery, amin’ny fandrahonana fandroahana raha tsy mifidy amin’io andro sabotsy io. Ny kandida izay notendreny, ramatoa Monica mpiasa ao amin’ny Rnm, dia efa niresaka tamin’ny “cellule de crise” ary efa vonona, fa hanajanona ny fifidianana satria tsapany hoe mikorontana. Nitady fiarovana tamin’ireo mpanao gazety tao amin’ny “cellule de crise” izy ary nanome toky azy ny “cellule”. Tsy niandry ela anefa, fa taoriana kelin’io dia nanao fampielezan-kevitra izy tsy nitana ny teniny. Marihina fa amin’ny holafitry ny sokajin’asa hafa eto amintsika, tsy misy izany fitsabahan’ny ministera izany mihitsy: toy ny holfitry ny mpisolovava, ny holafitry ny farmasiana, ny holafitry ny dokotera, ny holafitry ny dokotera veterinera, ny holafitry ny injeniera,… Fa i ministra veta ihany no mikasa hifehy ny holafitry ny mpanaao gazety.