Clémence Raharinirina – Hitory ho fanalana ny ben’ny tanàna Vazahabe koa

Stefa

Namaly bontana ny mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo Clémence Raharinirina amin’izao fotoana, mahakasika ireo fitoriana sesilany nataon’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina azy. Fantatra izao fa nitory ity ben’ny tanànan’ny Renivohitra ity, ho fanalana azy i Cémence. Toy izao ny fanambarana nataony momba izany: “im-betsaka ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina no nitory ahy Clémence Raharinirina ary im-betsaka koa nangataka any amin’ny fitsarana ny hanesorana ahy tsy ho mpanolotsaina. Fa tsy nionona tamin’ny tenako izy, fa dia takiany koa ankehitriny ny hanesorana ny mpanolotsaina 09 mianadahy hafa amin’ny toerany: mpanolotsaina TIM miisa 8 ary KOMBA 1. DIA BETSAKA IANAREO NO NITENY HOE: FA IANAREO VE IZANY DIA TSY AFAKA NY HITORY AZY MIHITSY FA DIA HANAIKY FOANA. Fantaro ary fa mangataka amin’ny fitsarana ny hanesorana azy tsy ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo ihany koa ny tenako. Hiara-hiakatra ao amin’ny tribunal administratif arak’izany izahay amin’ny zoma izao 15 oktobra amin’ny 10 ora sy sasany, koa any no ambohimpihaonantsika amin’io fotoana io”. Hitodika eny Anosy noho izany ny mason’ny mpanara-baovao eto an-drenivohitra, sy eto Madagasikara mihitsy rahampitso zoma.