5 taona sesitany politika – 7 taona ny 13 oktobra 2021 no niverenan-dRavalo an-tanindrazana

Niaina

7 taona omaly ny niverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tsesitany, rehefa avy nanao sesitany politika ny tenany tatsy Swaziland sy tatsy Afrika Atsimo izy. Ny alatsinainy 13 oktobra 2014 tokoa no tafaverina an-tanindrazana i Dada rehefa nanao sesitany ny tenany tany ivelany. Ny 17 martsa 2009 izy sy ny fianakaviany no niala teto Madagasikara, rehefa nisy ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina ary notohanan’ny ampahana miaramila tamin’izany fotoana izany. Mbola mistery hatreto no nialan’ny filoha Ravalomanana teto an-tanindrazana tamin’izany ary mistery toy izany koa ny naha-tafaverina azy tamin’io datin’ny 13 oktobra 2014 io. Herinandro taty aoriana izy tamin’ny 2009 vao fantatra fa nivantana tany Swaziland, avy eo vao nifindra tatsy amin’ny firenen’i Nelson Mandela tatsy Afrika Atsimo ary tao izy no nanao sesitany politika ny tenany nandritra ny 5 taona, mialoha io fiverenany an-tanindrazana io, kaa tafiditra soa aman-tsara teto. Efa indroa izy sy ny fianakaviany no nikasa hiverina an-tanindrazana, satria voarakitra tao amin’ny tondro zotra, na feuille de route ho fandaminana ny raharahan’i Madagasikara tao aorian’ny krizy noho ny fanonganam-panjakanan-dRajoelina tamin’ny taona 2009 izany. Tsy tafiditra teto anefa ireo fiaramanidina nitondra azy tamin’ireo fotoana roa ireo, satria voasakana, namoaka Notam (Note for Air-men) ny fitondrana mpanongam-panjakana tamin’izany, ka dia niverina tany Afrika Atsimo hatrany ireo fiaaramanidina nitondra azy, fa tamin’ny13 oktobra 2014 vao tafiditra teto i Dada, tsy mbola fantatra hatramin’izao hoe: tamin’ny fomba ahoana?