Hetsika politika faran’ny herinandro – Hafampana ny any Mahajanga anio sy rahampitso

Isambilo

Hetsika politika amin’izao faran’ny herinandro izao, hafampana ny any Mahajanga renivohitry ny faritra Boeny anio alakamisy 14 oktobra, sy rahampitso zoma 15 oktobra. Hetsika 2 sosona no hisy any an-toerana, ny anio dia ny hetsika fameloma-maso sy fanabeazamboho ny antoko Tiako i Madagasikara, na redynamisation ny antoko TIM. Rahampitso zoma kosa dia kongresim-paritry ny RMDM no hatao any amin’ny Magro ao Majunga Be ihany, sady tafiditra ihany koa amin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ity vondron’ny antoko mpanohitra ity. Ho an’ny TIM, ao anatin’ny famerenana famondronana ny hery izy ireo ankehitriny: miantso ireo nisintaka hiverina, manamafy ny fanentanana ireo efa ao anatin’ny antoko ary miantso ireo olom-baovao koa hiditra ao amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Ho an’ny RMDM, hafana ny fanakianana ny fitondrana, ho tsiahivina any ny fehin-kevitra nasionaly tapaka teny amin’ny Bypass, anisan’ny misongadina amin’izany ny tsy fahombiazan’izao fitondrana Rajoelina izao, ka tokony hametrahany fialana. Eo koa ny famolavolana ny fehin-kevitra ho an’ny RMDM any amin’ny faritra Boeny manokana. Ho taterina eto amin’ny gazety manaraka ihany ny akon’izany rehetra izany.