Tanora TIM boriboritany faha-6 – Manome fiofanana tanora 250 momba ny informatika

Stefa

Tanora 16 taona no ho mihoatra, ao amin’ny Boriboritany faha-6, no hahazo fiofanana momba ny informatika mandritra ny 4 volana avy amin’ny Tanora TIM Boriboritany faha-6, tarihan’i Lalaina Rabezanahary. Miara-miasa amin’ireto Tanora TIM Boriboritany faha-6 ireto amin’izao hetsika ara-panabeazana izao, ny Rossignols Mada Groupe eny Ambohimanarina.

Vita ny efa-bolana, hahazo certificat ara-panjakana ireo hahavita ny fiofanana ary ho afaka hiditra amin’ny tsenan’ny asa avy hatrany. Fa afaka mbola manohy efa-bolana manaraka indray ireo hahavita izao fiofanana andiany voalohany izao.

Ao aorian’izay koa, hisy ny tanora mpiofana 250 hafa andiany faha-2 manaraka indray, ho raisin’ny Tanora TIM Boriboritany faha-6 sy ny Rossignols Mada Groupe, amin’izay fiofanana sy fandalinana momba ny ordinatera sy ny informatika izay. Isaky ny sabotsy maraina ireo tanora, no miofana momba ny informatika, nanomboka ny sabotsy teo.