Ministeran’ny serasera – Miziriziry amin’ny hevi-diso sy tsy ara-dalàna hoy ny OJM

Ny Valosoa

Tsy loza mitatao no miseho amin’ny asa fampahalalambaovao f’efa loza mihàtra mihitsy, tsy alohalika ny ranombary f’efa miakatra eny an-tendakely, ary tsy ho ela dia handifotra ny loha, tsy hafa tsy akory no mahatonga izany fa ny minisitera mpiahy ny asa fampahalalambaovao ihany, izay manao amboletra ny fifidianana ny birao hitantana ny Holafitry ny Mpanao Gazety.

Amin’ny Sabotsy 16 Oktobra 2021 izao, no kendren’ny minisitera hanaovana io fifidianana amboletra io, efa notaterina teto amin’ny gazetintsika fa tsy nipetra-potsiny ireo mpanao gazety tsy manaiky lembenana sy saro-piaro amin’ny hasin’ilay asa, fa dia nanangana ny “cellule de crise”, izay anehoana fa tena mandalo krizy ny asa fampahalalambaovao. Ny minisitera etsy andaniny tsy milefitra fa mikiribiby, ary efa nanolotra kandidà saribakoly.
Samy manao izay ho afany ny andaniny izay ahitana ny “cellule de crise”, sy ny ankilany izay misy ireo olon’ny minisitera, ka ny fitetezana haino amanjery, sy ny fandrakofana ny gazety an-tsoratra miampy ny fampiasana ireo tambazotran-tserasera isankarazany no fomba fiadin’ny roa tonta, tsetsatsetsa tsy aritra anaovana fanamarihana ny fahamarinan’ny fanadihadiana nataon’ilay mpanao gazety malagasy miasa ao amin’ny “France 24”, izay nanitrikitrika ny fampiasan’ny minisitera ny kaonty fako iarovana ny asa-ratsin’izy ireo.

Matetitetika no mifanehatra amin’ny fandaharana amin’ny haino amanjery ny andaniny sy ny ankilany, ireo solombavambahoaka roalahy, Fidèle Razara Pierre sy Fetra Rakotondrasoa, no nisantatra ny fifanatrehana, tsikaritra nandritra izany fa dia tsy nifandanja ny fihaonana, satria maivana loatra teo anatrehan’ny Depioten’Ambatondrazaka ilay Depioten’i Miarinarivo. Nandeha indray ny fifanatrehana faharoa nahitana ny Sekretera Jeneralin’ny Holafitra amin’izao fotoana izao Miary Rasolofoarijaona sy ny Tale Jeneralin’ny serasera ao amin’ny minisitera Rakotondrasoava Fetraniaina, mitovy amin’ny teo aloha ihany, fa tsy manan-katokona ny solontenan’ny minisitera, fa dia manao boloky fotsiny sy miaro an-jambany ny hevi-dison’ny fitondrana ary mitanisa ny hoe, ianareo midongy toerana , ianareo tsy manaiky ny fifandimbiasam-pahefana, sns…

Ny fihaonana farany dia ny fifanatrehana tao amin’ny fahitalavitra iray, izay an’ny mpomba ny fitondrana, na izany aza dia mendri-piderana ny fahamatorana nasehon’izy mianadahy nitarika ny ady hevitra, satria tsy nahitana fitanilana. Teo amin’ireo mpiady hevitra no tsikaritra ny fihetsika tsy dia matotra loatra nasehon’ny tao amin’ny andaniny iraky ny minisitera, izay manao tsianjery maimbo ny hoe tokony hatao ny fifidianana, f’efa ela ianareo no teo, satria ny filohan’ny Holafitra amin’izao fotoana izao sy ny Talen’ny onjampeo sy fahitalavitra tsy miankina iray no nifanazava tamin’ireo bolokin’ny minisitera.

Niainga hatrany amin’izay voalaza tao amin’ny lalàna sy efa neken-dRamatoa Minisitra ny fanazavana nentin’ny Filohan’ny Holafitra , nampatsiahiviny ny andinin-dalàna izay milaza fa ny biraon’ny Holafitra dia manao ny asany ara-dalàna mandra-pitsangan’ny birao vaovao fa tsy manao fampandehanan-draharaha fotsiny akory, nanamafy izany ny Filohan’ny Holafitra, fa ho tendrena amin’ity herinandro ity ny solontenan’ny mpanao gazety ao amin’ny Ceni, satria efa nisy ireo mpanao gazety nametraka ny antonta-taratasy firotsahana, sady efa vonona ihany koa ireo manampahaizana nofidian’ny Holafitra hisahana ny fifantenana, ny Ceni rahateo matoa nandefa ny taratasy tany amin’ny Holafitra amin’izao fotoana izao, dia fantany fa mbola manankery soa amantsara ireo mpitantana ao, marihana f’ireo fikambanana malagasy sy iraisampirenena isankarazany dia mbola samy mankatoa ny maha ara-dalàna ny birao tarihan’ny Filoha Rakotonirina Gerard.
Ny mampalahelo nanditra ny ady hevitra dia ny fiarovana anjambany ny hevi-dison’ny minisitera izay nataon’Ingahy Tale Jeneraly sy ny fiventesan’ilay mpanao gazety iray ny hoe, ny mpanao gazety any amin’ny faritra dia efa vonona amin’ny fifidianana, izay mazava fa fampizarazarana sy fampiadiana ny mpanao gazety any amin’ny faritra sy ny eto Antananarivo.

Iray tsy mivaky ary tsy azo saratsarahana ny mpanao gazety na ny avy eto Antananarivo, na ireo monina any amin’ny faritra ary iraisana ny olana dia ny tsy fahalalahana eo amin’ny fanatontosana ny asa, anisan’izany ny fikatonan’ny loharanombaovao sy ny sakantsakana amin’ny endriny samihafa.