Mbola tsy toa an’i Miami i Toamasina – Mbola tsy toa an’i Paris koa hatreto Ambatondrazaka

Andry Tsiavalona

Tsy mbola nisy filoha mitovy amin-dRajoelina Andry tokoa, nandritra izay enimpolo taona namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena izay. Tia zavatra mamirapiratra sy misarika maso, toy ny kilalaon-jiro (jeu de lumières) hita any amin’ny trano fampandihizana, sy ny kapila mangirana ny filohan’ny Repoblika IV-2. Nentiny nanao fampielezan-kevitra ny fampivezivezena eran’ny tanàna ilay fiara nisy fahita lavitra nampirentirenty « maquettes »-na trano mijoalajoala sy tanàna mamirapiratra. Nampanantenainy hitovy amin’ny tanànan’i Miami any Floride, Etats-Unis ny tanànan’i Toamasina ary ho toa an’i Paris Ambatondrazaka. Mamirapiratra novaina ho lokon-doranjy ireo sekoly sy toera-pitsaboana kanefa ny fitaovana ampiasaina ao anatiny dia nindramina vonjimaika avy any amin’ny toerana hafa. Ny mpiasa ao anatiny ihany koa dia tsy voaloa ny karamany tao anatin’ny volana maro.

Ankehitriny tsy mbola toa an’i Miami i Toamasina ary na ny làlam-pirenena faha-2 mihazo any aza misy azo ilomanosana. Toy izany koa ny mankany Paris (Ambatondrazaka), satria ny làlam-pirenena faha-44 mizotra mankao aza efapolo kilometatra tsy mety vita hatramin’izao, ka angamba, tokony ho ny “Tour Eiffel” aloha no natsangana na nanao làlambe migodàna toa ny “Champs Elysées”. Kely loatra moa raha any amin’ny toeram-pandihizana no mamory sy mampandihy vahoaka ka eny an-kianja no mamory olona, mirentirenty ny akanjo milokon-doranjy ary ny afomanga (feux d’artifices) amin’ny alina no misolo ny kilalaon-jiro. Ny zava-doza tsy maintsy atao ao an-tsaina dia mandalo miserana toy ny fahafinaretana rehetra ihany izany, fa ny fahoriana sy ny fahantrana dia mitoetra ihany.

Vao roa herinandro lasa izay dia fety be, tsy lanonana nojerena ihany fa hatramin’ny hanim-pito loha, tao Mahamasina nandritra ny fitokanana ny “Kianja Barea”. Nitohy tamin’ny afomanga koa izany ny alina ary tsy tonga tao an-tsain’ny mpitondra mihitsy, fa tsy lavitra eo ny Hopitaly Befelatànana sy ny hopitaly fiterahana (maternité) ary amin’ny arabe manodidina eny aza dia misy plaky manambara fa tsy maintsy hajaina ny fahanginana. Andro iray taorian’izay dia niondrika sy nalahelo noho ny fandresen’ny bibikely (écureuils) azy ny ekipam-pirenena ary niara-kory tamin’ireto mpilalao ihany koa ny mpitia baolina kitra eto Madagasikara. Nisekoseko ny filohan’ny Repoblika Rajoelina rehefa tafaverina avy any Lafrantsa, fa nasainy nifindra tao amin’ny “classe affaire” ny mpilalao Barea avy any Amerika tafaradia taminy tao anaty fiaramanidina, fa tsy navelany niforitra kely tao amin’ny “classe économique”. Roa herinandro taty aoriana fotsiny dia tsy noraharahian-dRajoelina Andry indray ny mpilalao Barea, fa niverina tamin’ny “classe économique” indray ary tsy vitan’izay, fa tsy nisy fandaminana matotra hatramin’ny dian’izy ireo aza. Angamba mbola sahirana tamin’ny fanomanana ny fitokanana ny “gouvernorat” tany Mananjary ny fitondrana, ka tsy nanam-potoana nieritreretana izany. Azo inoana fa nitamberina tao an-tsain’ireto mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena ireto ny tranga teo aloha, ka tsy nahagaga ny faharesena roa sy aotra (2-0) tany amin’ny République Démocratique du Congo. Avy any Mananjary indray ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry dia nampirentirenty makety, mba hizarany ny nofinofiny amin’ny vahoakan’i Fianarantsoa. Mbola tsy nolazainy aloha hoe hatao mitovy amin’ny tanàna iza any ivelany any indray Fianarantsoa, fa tsy ho tanàna maty intsony, hono, ity renivohitr’i Matsiatra Ambony ity, ka dia hadio sy handroso toy ilay hita tamin’ny makety.

Na tiana na tsy tiana dia manana endriny eo amin’ny sehatra politika ireo fihetsiketsehana ireo, satria fambaboana ny fon’ny olompirenena tsy mahafantatra ny tena tian-dRajoelina Andry hatongavana dia fanomanana ny fifidianana amin’ny taona 2023. Araka izany dia manitsakitsaka ny Lalàmpanorenana indray ity filohan’ny Repoblika ity, ka manao fampielezankevitra mialohan’ny fotoana sahady. Tsy ho valalabe mandry intsony anefa ny Malagasy fa hibanjina ny telo taona nitondran-dRajoelina Andry, ka hahay handanjalanja izay vitany, mba tsy hihanteherana amin’ny hazo lo sy boboka intsony, satria azo oharina amin’izay izaao fitondrana tsy mamaha ny olam-bahoaka izao.