ENTANO NY FANAOVAM-BAKISINY

Tsy dia marisika mihitsy ny mpitondra ankehitriny,
Ny amin’ny teny fanentanana ho fanaovam-bakisiny?
Moa va re ny fidedahana, izay no lehibe indrindra,
Ka dia ny tambavy hatrany, izay no tiana hahindrahindra?

Efa hita ilay tambavy fa tsy dia nahomby firy,
Ka nahoana re ‘nareo no mbola toa miziriziry?
Sa dia ny artemesia no voly tiana ho lohalaharana,
Fa ny vary, tsy dia maika sady moramora hafarana?

… Inona no tena maika ho fisorohana ny tsiny?
Entano Andriamatoa filoha ilay fanaovam-bakisiny.
Ianao inoana fa nanao matoa nihazo an’i Amerika,
Koa entano ireo vahoaka sao ho ringana eto isika.

Kaomoro ilay fanebakao, jereo fa efa ery aloha,
Ka aoka izay ny “vava tsy ambina”, dia totofy tsy hifoha.
Atsaharo ny hadisoana tamin’iny lalana iny.
Mijoroa mba ho modelin’ny fanaovam-bakisiny!

DADAN’i ZINA (09-10-21)