EDITO 14 oktobra – Fitantanam-pirenena tsy mety ialan’olana

Sôh’son

Izao fitondrana ankehitriny izao, dia fitondrana tsy afak’olana handritry ny fotoam-piasany izay efa mamarana ny taona fahatelony amin’izao fotoana izao. Isam-bolana, mba tsy ilazana hoe isan-kerinandro, dia ipoiran’izany olana izany hatrany eo amin’ny sehatra maro samihafa. Anisan’ny sehatra tsy afak’olana ny eo amin’ny seha-pampianarana. Milamina ny atsy mipoitra ny aroa ao anatin’izany tontolo izany. Eny amin’ny ambaratonga ambony no tena misy olana matetika, amin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny ao anatiny mampihodina azy: mpampianatra, mpandraharaha, ary mpianatra. Ny manahirana ny saina dia ny mpianatra hatrany no ifaharan’ny rihitra farany sy iharan’ny famoretan’ny mpitandro filaminana.

Ho an’ny mpamakafaka, ny olana mitranga eo amin’ny fiainam-pirenena, dia miainga avy amin’ny fomba fiasa sy ny ataon’ny fitondrana ihany. Ohatra vao tsy ela, ny nitranga teny amin’ny hopitaly HJRA, tamin’ny raharaha Eddy bois de rose, izay voalazan’ny fitondrana fa nikasa handositra. Lasa voarohirohy tao anatin’izany ny mpitsabo izay heverin’ny maro, fa tsy tokony ho tafiditra amin’izany velively. Tsy misy afaka mandà, fa ny asan’ny mpitsabo dia mitsabo ny marary tonga eo aminy, fa tsy miandry na mpiambina misolo toerana ny mpiambina ny fonja. Dia nipoitra ny fitokonan’ireo mpitsabo mpiara-miasa rehetra noho ny fitazonana ny namany. Tsy maintsy nisy fiantraikany tany amin’ny seha-pitsaboana ihany koa ny fotoana nisian’izay fitokonana izay. Tsy niankina avy amin’izy ireo anefa ny antony niavian’izany. Raha tsy manao hetsika toy ireny ihany koa izy ireo, dia inoana marimarina fa tsy maintsy mbola hisy tranga toy izany na hitovitovy amin’izany amin’ny manaraka. Fantatra ihany ny fomba fiasan’izao fitondrana izao.

Misy ireo sehatr’asa tsy vitan’izao fitondrana izao ny nandoa ny vola tokony haloany amin’ireo nisahana izany. Anisan’izany ireo orinasa aman-jatony nanao lalana, izay nanao hetsika fitakiana ny volany amam-bolana na efa aman-taonany mihitsy aza tsy azony. Miseho ho manam-bola ny fitondrana kanefa tsy aloa ny volan’olona. Asa, rehefa tonga hatraiza indray ny alavitry ny toe-draharaha vao hikoropaka ny fitondrana ary hanilika ny tompon’antoka amin’ny hafa tsy mitovy hevitra aminy, na avadika ho resaka politika. Izay hatrany no mitranga eto amin’ity firenena ity.

Tsy atao hahagaga loatra, raha tsy ho afak’olana izao fitondrana izao, na dia nanana tombony be dia be tamin’ny fitoniana ara-politika teto amin’ny firenena, sy eo am-pelatanany feheziny avokoa amin’ny ankapobeny ireo rantsamangaika rehetra amin’ny andrim-panjakana. Ny fototra niaingàny tany am-piandohana mihitsy mantsy no tsy mazava, fa nanarontsarona ny fahamarinana.