RMDM sy ny TIM – Mahajanga indray, tao aorianan’Antsirabe sy Morondava

Isambilo

Mitohy ihany ny fanaovana ny hetsika fameloma-maso sy fanabeazamboho, na redynamisation ny antoko TIM, sy ny kongresim-paritra ataon’ny vondron’ny antoko mpanohitra RMDM: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

Fantatra izao, fa tao aorianan’ny tany Antsirabe sy Morondava, ny any Mahajanga renivohitry ny faritra Boeny indray, no handray ny hetsika hataon’ny TIM sy ny RMDM. Ny zoma 15 oktobra ho avy izao no hanatanterahana izany hetsiky ny TIM sy ny RMDM izany, any amin’ny renivohitry ny faritra Boeny.

Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra any an-toerana, izay tarihan’i Achim Kely, efa vonona amin’izay hanatanterahana ny fameloma-maso sy ny kongresim-paritry ny RMDM izay ny any Mahajanga. Ho tonga any an-toerana avokoa ireo mpitarika ny antoko TIM, sy ny mpitarika ny RMDM any amin’ny faritra Boeny amin’io fotoana io, ho tonga any koa ny avy amin’ny birao politikan’ny TIM sy ny RMDM.

Fandraisana mpikambana vaovao, fanentanana ireo efa ao anatiny ary fandraisana ireo mpikatroka niala tao amin’ny antoko, no anisan’ny hatao mandritra io fotoana io ho an’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ho an’ny RMDM, fitsikerana ny tsy mety eto amin’ny firenena, fanazavana sy fijerena ny fampiharana ny fehin-kevitra nasionalin’ny RMDM teny amin’ny By-pass, no anisan’ny hatao amin’izany.