Tsy misy fikarakarana – Kaohan’ny ranomasina ny morontsirak’i Morondava

Niaina

Mitohy ihany ny fikaohan’ny ranomasina ny morontsirak’i Morondava, renivohitry ny faritra Menabe amin’izao fotoana, tsy misy anefa ny fikarakaran’ny tompon’andraikitra an’izany, na ny ao amin’ny kaominina any an-toerana, izay tsy misy ben’ny tanàna amin’izao, na ny faritra, na ireo ministera tompon’andraikitra toy ny ministeran’ny asa vaventy sy ny ministeran’ny fanajariana ny tany,…

Efa trano maro nanamorona ny morontsiraky ny renivohitry ny faritra Menabe no efa lasan’ny riaka, ary maromaro ihany koa ankehitriny no ahiana ho tratran’izany fahapotehana izany. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ny any an-toerana noho izany.