Holafitry ny mpanao gazety OJM – Miisa 3 ireo kandidà ho ao amin’ny CENI

Stefa

Araka ny taratasy nalefan’ny CENI, vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, tamin’ny OJM na ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, amin’ny ho fanavaozana ireo mpikambana ao amin’ny CENI, hanatanteraka fifidianana izay hisolotena azy ao amin’ity rafitra mitantana ny fifidianana eto amintsika ity ny mpanao gazety amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io., fantatra fa miisa 3 ireo kandidà mpanao gazety hifaninana amin’io ho fidirana ho mpikambana amin’ny biraon’ny CENI io, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny OJM, Miary Rasolofoarijaona tamin’ny fandaharana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray.

Noho izay antony izay, hamory ireo kandidà ireo ny OJM, ka hatao amin’ny alalan’ny visioconférence ny fihaonana hiaraka amin’ireo mpikambana amin’ny biraon’ny OJM any amin’ny faritra, ka ao aorian’izay no hatao ny fifidianana. Tsy ny CENI ihany no mbola manaiky ny fisian’ny biraon’ny OJM lazaina fa lany daty eto amintsika, fa na ireo mpiara-miombon’antoka na ny fikambanana sy ny fiarahamonim-pirenena samihafa dia mbola manaiky ny fijoroan’ny birao tarihan’i Gérard Rakotonirina.