Raharaham-pirenena – Miezaka maka tahaka an-dRavalo hatrany Rajoelina

Isambilo

Hita sy tsapa izao fa miezaka maka tahaka ny zavatra nataon’ny Filoha Ravalomanana hatrany Rajoelina: omby vavy be ronono nafarana, resaka lalana, ny momba ny kit scolaire,… Miezaka maka tahaka an’i Dada, mba hanakonana ny zava-bitany ny filoha Rajoelina.

Rehefa nanaovana antsojay ny Filoha Ravalomanana tamin’ny nanakatonana ny TIKO, dia nihevitra ny maro fa filam-baniny taminy fotsiny sy fialonana, saingy mbola lavitra noho izany ny tanjony dia ny hamafa ny dian-tànan’ny Filoha Ravalomanana, ka handrombaka io fihariany io. Porofo izany tamin’ny nanafaran-dRajoelina ireo ombivavy be ronono 165 vao tonga afak’omaly.

Nanenjika mafy izy teo aloha, raha nahavita làlana ny Filoha Ravalomanana, ka nilaza fa “tsy azo hanina ny làlana”. Ankehitriny, ilay “Rocade” namboarin’ity farany aza nokitihana ka izy mihitsy no niseho nanokana azy, sady novainy ny anarany. Saingy teo amin’ny resaka fambolena vary, no tsy nidirany lalina, fa naleony nanafatra avy any ivelany, izay fanapotehana ny tantsaha Malagasy.

Raha tiana hiharina anefa ny toekarena eto Madagasikara dia ny fampiroboroboana ny seha-pamokarana ato anatiny no tokony himasoana, ka anisan’izany ny fanomezana vahana ny mpamboly vary mba hamokatra betsaka. Ny 80% ny Malagasy dia tantsaha, raha vatsiana fitaovana sy masom-boly ary zezika ireo, dia afaka manantena isika fa hitombo ny vokatra, ary hanana ambim-bava isika ka afaka hanondrana.

Sarotra ihany anefa ny hanantena izany, fa vahaolana naroson’ny fitondrana ny fanafarana vary, fa tsy hiandry vary “2 taona ” vao ho vokatra izy, araka ny nambarany. Io dia mbola tsy fahaizan-dRajoelina ihany, ny vary tsy 2 taona vao miakatra fa 4 volana eo ihany dia efa mijinja.

Sarotra ho an’ny fitondrana Rajoelina ny hampandroso, raha ny làlan’ny teo aloha no ezahiny ho fafàna kanefa arahiny ihany.