Holafitra OJM – Nentina am-bavaka ny olan’ny mpanao gazety

Niaina

Ho famahana ny olan’ny mpanao gazety amin’izao fotoana, nentina aam-bavaka izany omaly maraina tetsy amin’ny fiangonana katedraly FJKM Analakely. Noho izay antony izay, misy ny fanambarana nataon’ny “Cellule de crise” amin’ity asa fanaovan-gazety ity.

“Izahay Cellule de crise dia misaotra ireo rehetra, niara-niombom-bavaka taminay; izahay dia manantitra ihany koa ny fiantsoana ireo mpiara-miasa aminay mahatsiaro ho voantohintohina, hanatona sy hivondrona hiaraka aminay eto anivon’ity Cellule de crise ity; izahay dia manome antoka ireo izay mbola misalasala, fa ezaka ho fanenana hatramin’ny fanafoanana ny antsojay izay mihàtra amin’ny fanatontosana ny asa no tanjona iombonana ary hisy rafitra ara-panjakana amin’izany. Hisy fivoriana savararonando hatao ny faha-16 oktobra ho avy, izay amin’ny fametrahana ny rafitra izay voalaza etsy ambony.

Ny fifidianana izay teren-ko masaka eo anivon’ny Holafitra dia heverina ho toy ny tsy misy. Tsara ny manamarika fa tsy olan’ny mpanao gazety samy irery izao tranga miseho izao, satria ny fihidin’ny seraseram-panjakana ho an’ny fitondrana manokana dia tsy hahafahan’ny mpiray tanindrazana mandanjalanja ny zava-misy marina”.