Fitondrana Rajoelina – Tsy misy zava-baovao ankoatra ny raviravi-natentina

Sôh’son

Hatreto tsy misy tetikasa vaovao mazava ho amin’ny fampivoarana ity firenena ao anaty fahantrana lalina ity. Izay zavatra natao rehetra amin’ny ankapobeny tsy misy mipàka any amin’ny ati-vilanin’ny sarambabem-bahoaka, sy ny ao amin’ny kitapom-bolany. Olom-bitsy no misitraka sy mahita tombontsoa amin’izay nataony telo taona latsaka kely tamin’izao nitondrany izao. Iaraha-mahita ny fijaliam-bahoaka amin’ny delestazy isan’andro, izay nidedahana tany am-piandohana, fa hovahana ao anatin’ny fotoana fohy. Ny vidin’ireo entana fanjifa andavanandro tsy nisy fihatsaràny, fa nihazohazo tamin’ireo niakarany nidangana hatramin’izay. Hatrany amin’ny sakafo fanjifan’ireo sarambabem-bahoaka eny rehetra eny isan’andro. Miferina’aina ankehitriny ireo renim-pianakaviana amin’ny fisondrotry ny vidin-tsavony, fa mitombo ny fandaniana noho ny maha mora lany azy kanefa ny vidiny nitombo. Tsy maintsy sasàna anefa ny lamba. Toy ny inona anefa ny fampanantenana natao teto hatrany amin’ny fampielezan-kevitra sy nony nandray ny fitondrana.

Noheverina fa tsy ho ela dia tany sambatra tokoa i Madagasikara, araka ny vetsovetsom-pony anaty hiram-pirenena, kanefa indrisy, mbola misy Malagasy mitomany fa bodoin’ny mpanambola mpanefoefo ny tany nonenany hatramin’ny taona ela. Misy ny mpiray tanindrazana mitondra faisana very asa, fa nakaton’ny fitondrana ny orinasa niasany nivelomana noho ny resaka hetra sy ambadika politika. Misy ireo izay toy ny manao antso an-tany efitra noho ny tsy nandraisany karama amam-bolana maro; ao ireo ray aman-dreny, tsy afa-manoatra noho ny fahantrana lalina nihoatra ny fiainany tany aloha, ka izao zara raha mahatafiditra ny zanany any an-tsekoly izay tsy ananany safidy intsony. Misy aza tsy afaka intsony mampiana-janaka. Ny sakafo tsizarizary tsy ampy kalitao; amin’ny fianarana tsy afaka hampiana-janaka amin’ny fara-tampony velively; ny fahasalamana miankina sisa amin’ny fitahin’Andriamanitra, ny fihariana sy fivelomana mitsimpona isan’andro satria tsy an’asa, na mba miasa ihany fa tsy mahavita volana.

Manoloana izany rehetra izany anefa, miseho ho mahavita noho ny hafa izao fitondrana izao. Ny tsy fahita tao anatin’ny 60 taona no lazainy fa vitany. Rehefa jerena tsara anefa sy dinihina lalina, dia tsy misy zava-baovao manarina ny fiainam-bahoaka, fa raviravi-natentina ihany no be. Ny fahavitana ny kianjan’i Mahamasina tsy hanova ny fiainam-bahoaka isan-tokantrano velively. Ny kitapom-bolany indray aza no ho gorobaka, satria tsy maintsy misy vidim-pidirana haloany raha hijery lalao ao izy, fa tsy hoe hozaraiana vola akory isaky ny avy mankao, raha tsy ohatra angaha amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra indray izay hanatosahana volabe mirarak’ompana toy ny tamin’ny taona 2018-2019 ireny.

Ny fametrahana fitaterana mikorisa amin’ny tariby izay idedahana amin’izao fotoana izao sy ny “tramway”, dia niaraha-naheno ny ho saran-dalana. Tsy ny sarambabem-bahoaka velively no afaka handeha amin’izany isan’andro, satria tsy ho zakan’ny any am-paosiny mihitsy izany. Voafetra ihany araka izany no afaka hampiasa azy ireny, fa tsy ny rehetra akory. Ny “bus class” izay noforonin’ny kaominina Antananarivo renivohitra aza tsy azon’ny rehetra tsy ankanavaka ianteherana hanampy azy noho ny fahambanian’ny fahafaha-mividiny. Izany hoe hisy ampahana vahoaka na mponina eto tsy handeha amin’ireny velively. Midika izany fa tsy voatsinjo ny vahoaka manontolo fa ampahany ihany, ary ampahany vitsy ireo miohatra amin’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa.

Ho an’ny mpandinika, dia tsy voavahan’izao fitondrana mihitsy hatreto, ary tsy manana vahaolana mazava izy ny amin’ny fototry ny olam-bahoaka. Raha manafatra vary any ivelany efa amin’ny vola tsy hita pesimpesenina, tsy mahavaha ny olana fototra amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy vary izany eto amin’ny firenena. Mbola mipetraka ihany koa aza ilay ampahana vahoaka ihany no hisitraka izany fa tsy ny iray manontolo. Maro anefa ny olana iainan’ny vahoaka isan’andro, fa ny asa ataon’ilay fitondrana zary tampitampina ihany amin’ny kiloadoaka.

Ny mahavariana dia mbola misy olona miaro be fahatany ilay fitondrana ihany. Mazava loatra aloha izy ireny ilay mpisitraka sy mahazo tombontsoa aminy, ilay mpanao vain-drahalahy tsy maharary, nefa milaza ho tia ny firenena. Fitiavan-tena sy fihatsarambelatsihy no betsaka. Ireny ilay fositra manapotika izao firenena izao sy mampikorosy azy ho toy izao. Fa ny mpianatra iray, raha 03/20 no naoty azony teo aloha, ka niakatra ho 05/20 izany dia mbola tsy mahay izy. Azo oharina tsara amin’izany ny ezaka ataon’izao fitondrana izao. Tsy mahasehaka ny fitotonganana ara-toekarena sy fiainam-bahoaka niseho aman-taonany ny zavatra ataony. Toy ny mpitsabo manome ny marary parasetamôla hatrany kanefa ny aretina maivamaivana teo aloha, efa nivadika ho homamiadana. Any amin’ny vahaolana mivaona indray no atolotra dia ny famerana ny isan’ny zaza ateraka. Tsy izany velively no andrasan’ny vahoaka Malagasy maika amin’izao fitondrana izao.